- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra tetsy Besarety

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra tetsy Besarety

Izy dimilahy, jiolahy rain-dahiny ravan’ny BC.

Andian-jiolahy mahery vaika, nikasa hanao fanafihana teny amin’iny faritra Ankadivato iny no ravan’ny pôlisy avy etsy amin’ny sampana hekoka bevava sakelika fahefatra ny faran’ny herinandro teo. Ny roa tamin’izy ireo no tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony, ny dimy tamin’ireto olon-dratsy ireto kosa voasambotra. Nisy fitaovam-piadiana maromaro ihany koa sarona tamin’io fotoana io.

Hatairana ary zara raha nisy torimaso vanona ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Besarety iny ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Poa-basy tsy an-kijanona no re nanakoako nandrovitra ny alina tamin’io fotoana io. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenana dia nisy ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana teo amin’ny andian-jiolahy sy ny pôlisy tamin’izany faritra izany. Roa tamin’ireo nohenjehina no lavon’ny balan’ny pôlisy tamin’io fotoana io. Raha ny nambara hatrany dia anisan’ireo olon-dratsy rain-dahiny, nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ankadivato iny izy ireo.

Nisy tokoa mantsy ny angom-baovao azo mahakasika ny fisian’ny andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika teny amin’iny faritra iny, ka nidinan’ireo pôlisy avy etsy amin’ny sampana heloka bevava sakelika fahefatra teny an-toerana avy hatrany. Roa tamin’ireto andian-jiolahy ireto no tra-tehaka teo an-toerana. Tafaporitsaka kosa ny ambiny. Teo no ho eo ihany dia niroso tamin’ny fikarohana ireto namany hafa ireo mpitandro filaminana. Ny iray voasambotra tetsy Ambohijatovo ary ireo hafa, izay iray tarika tamin’ireto olon-dratsy ireto, dia efa nihazo ny lalan’Ivato. Niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ny pôlisy tamin’izay fotoana izay. Tsy ela tokoa dia nifankatratra ary raikitra teo indray ny fifampitifirana. Saingy araka ny voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia nanaiky nilefitra mora foana ireto olon-dratsy rehefa nahita fa tsy ho tohitr’izy ireo velively. Roa ihany koa no voasambotra tamin’io raha ny vaovao hatrany.

Fantatra tamin’ny famotorana ireo voasambotra ihany anefa fa mbola nisy naman’izy ireo tafaporitsaka tamin’io fotoana io ary nialokaloka teny amin’iny faritr’i Besarety iny. Tsy ela dia azo ny toerana niafenan’izy ireo ary io nidinana andro alina teny an-toerana io sy natao sarika am-pandriana. Nomena fampitandremana sy nasaina nitolo-batana izy roa lahy ireto, saingy tsy nanaiky izany fa vao mainka aza nandrangaranga ny basin’izy ireo ary tsy nisalasala nampiasa izany, hoy hatrany ny pôlisy. Velona indray ny fifampitifirana ary nirefodrefotra tsy nisy toa izany ny basy, tao anatin’ny minitra maromaro. Maty voatifitra vokatr’izay ireo roa lahy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy miisa roa fentin’izy ireo manao fanafihana, raha ny fantatra hatrany. Tetsy andanin’izay moa dia mbola mitohy ny famotorana ireo olon-dratsy azo sambo-belona any amin’ny biraon’ny pôlisy. Heverina fa hatolotra ny Fampanoavana anio izy dimy lahy ireto raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici