- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fanajàna fihibohana : Mbola maro ireo olona mafy loha

Tsy fanajàna fihibohana : Mbola maro ireo olona mafy loha

Niditra tamin’ny herinandro fahatelo ny fihibohana tanteraka isaky ny faran’ny herinandro teto Analamanga ny sabotsy sy alahady teo. Araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisy dia mbola maro ireo olona minia tsy manaja izay fepetra efa noraisina, hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19. « Tsy olona handeha hitady sakafo, tsy olona avy niasa, tsy olona handeha hividy fanafody na koa misy anton-dia manokana tsy maintsy hivoahana ny trano fa olona hivoaka hiala voly, hitangorongorona sy hanome vahana ny fiparitahan’ ilay valan’aretina amin’ny olona mba miezaka miaro tena », hoy ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.

Ny sabotsy teo fotsiny, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy hatrany, dia nahatratra teo amin’ny 24 isa teo ho eo ireo olona voasambotra, tsy nanaja izay fepetra amin’ny fihibohana izay. « Tao ny hita mbola mirevy ao anaty bar, ao koa ireo tanora mitangorona ao anaty salle de jeux, ao ny manao karatra eny an-dalambe no sady tratra miaraka amin’ny rongony, ary ao ireo tsy manaja ny tsy fahazoan-dalana mivezivezy amin’ny alina fa mbola tratra mirevy miaraka amin’ny zava-pisotro mahamamo ». Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa ireto « mafy loha» ireto ary misy fepetra manokana horaisina amin’izy ireo, raha ny fanazavàna hatrany. Raha ny hita sy tsapa tao anatin’izay telo herinandro nampiharana fihibohana tanteraka isaky ny faran’ny herinandro teto an-drenivohitra izay dia lasa tsy ilay areti-mandoza intsony no atahoran’ny olona sasantsany fa ireo mpitandro filaminana indray. Hany ka toa lasa mifaninana manao fangala-piery ny roa tonta. « Misy kosa anefa ny hafa izay tena manaja tsara izay fepetra noraisina amin’ny fihibohana izay ary ankasitrahana azy ireo »,  hoy hatrany ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici