- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Avis de recherche » tsy nitombina : Niakatra eny amin’ny PAC ny...

« Avis de recherche » tsy nitombina : Niakatra eny amin’ny PAC ny raharaha

Nametraka fitoriana eny amin’ny PAC na eny amin’ny raharaham-pitsarana misahana ny kolikoly ny raharaha filazana fikarohana noho ny resaka fiara sy ny fisolokiana manodidina izany. Taorian’ny fivoahan’ny filazana fikarohana tovolahy mpandraharaha amin’ny fiara navoakan’ny polisy ny 20 avrily teo, ka nampifamahofaho ny raharaha teo anivon’ny polisy tany Antsirabe sy ny fivoahan’ny filazana teto Antananarivo sy tamin’ny tambajotra sosialy. Efa nalan’ny polisy moa io filazana fikarohana io noho ny fisian’ny fifanazavana nataon’ny mpisolovava ilay voatonontonona tamin’izany teny anivon’ny polisim-pirenena. Araka ny fanazavan’ireto nametraka fitoriana eny amin’ny PAC, raharaham-pivarotana fiara Range Rover tamin’ny karàna ny taona 2019 izy ity. Fifampivarotana efa tontosa tao anatin’ny ara-dalàna izy io, misy taratasim-pifampivarotana ara-dalàna tsara. Taty aoriana dia, namidiny tamin’ny Frantsay iray any Antsirabe ilay fiara. Nanao “mutation” io vazaha io ka misoratra aminy  ny fiara ary efa lasany ara-dalàna.

Roa taona aty aoriana, nahazo “sommation de payer” ity lasibatry ny fanalam-baraka ity. Olona iray ao Antsirabe no milaza ho tompon’ilay Range Rover novidiany tamin’ny 2019, ka mitaky 133 tapitrisa ariary aminy. Nosintonin’ilay olon-tsy fantatra tamin’ilay Frantsay ilay fiara. Noterena ihany koa io vazaha io hitory an’ilay nivarotra taminy ny Range Rover, mba hahazoana ilay vola be an-jatony tapitrisa ariary. Fantatr’ilay Frantsay anefa fa tsy mazava mihitsy ny anton’izany rehetra izany ka tsy nanaiky nitory izy. Rehefa izany, niakatra teto an-drenivohitra nametraka fitoriana taty amin’ny tribonaly Antananarivo io vazaha io. Nandeha ny raharaham-pitsaràna ary nandresy hatrany amin’ny fitsaràna ambony izy. Nivoaka ny didy milaza fa, tsy maintsy averina aminy ny fiara, izy no tompony ara-dalàna. Tsy azony anefa ilay fiara ary voalaza fa tsy mbola hita hatramin’izao. Nisy fifampitoriana indray taorian’izay ka nisian’ilay filazana fikarohana.

Efa nampahafantarina ny ambasady frantsay ny mikasika ity raharaha ity.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici