- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Ho hentitra ny sazy ho an’izay tratra manao kolikoly

Polisim-pirenena : Ho hentitra ny sazy ho an’izay tratra manao kolikoly

Ho fanatanterahana ny politikan’ ny ministeran’ ny Filaminam- bahoaka, amin’ ny fiadiana amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ny fahamendrehana eo anivon’ ny Polisim- pirenena dia nanatanteraka fihaonana tamin’ ireo polisy misahana ny asa famotorana  « Police Judiciaire » ao amin’ ireo sampandraharaha maro misy eo amin’ ny foibem- pitantanan’ ny polisim- pirenena eny Anosy, omaly maraina, teny amin’ ny trano boriborin’ ny ministeran’ ny Atitany ny IGPN( Inspection Générale de la Police Nationale). Nitarika ny fivoariana ny Directeur de l’Inspection Générale des Services, ny commissaire principal de police, Rasamiarivony Martin sy ny « Directeur du Suivi-Evaluation et de la coordination », commissaire divisionnaire de police, Andriantseheno Joachim, ary ny « Président du conseil de discipline », ny commissaire divisionnaire de police, Rasoamalala Marie Lucile. Amin’ny ankapobeny dia nivoitra fa sazy henjana no miandry ireo izay minia mihaom-pefy. Ho entitra ny fanaraha-maso ary tsy hisy intsony fandeferana ho an’ireo manao kolikoly amin’ny endriny samihafa. Dia hapetraka ho taonan’ny fahamendrehana ity taona ity.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser