Azo mora teny am-pelantanan’ireo dahalo ny omby 180, izay vao avy nangalarin’izy ireo tao Bepoaka, distrikan’i Tsiroanomandidy omaly. Paikady vaovao indray no nentin’ny teo anivon’ny Tafika nahazoana izay vokatra izay, satria, ankoatr’ireo miaramila nanara-dia teny an-tanety dia nisy ny fanampiana mivantana azy ireo tamin’ny alalan’ny helicoptère avy amin’ny Tafika an’hanabakabaka. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny Tafika malagasy, dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny Zrps Charlie sy ny Bataillon inter-arme faharoa tany amin’iny faritra Bongolava iny, tamin’ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy, raha vantany vao nahazo vaovao izy ireo, mahakasika io fanafihana mivaivay io. Tsy niandry ela tokoa ny fanarahan-dia, ary tsy ela rahateo dia nifankatratra ny roa tonta. Vokatry ny fahaiza-manao sy paikady nasehoan’ireo miaramila dia mora foana ny nahitàna ireo omby, hoy hatrany ny vaovao. Nandositra sy nanao tsoa-pe kosa ireo olon-dratsy raha vao nahatazana hany monja ireto mpanara-dia. Efa nentina nihazo tanana ary naverina tamin’ny tompony tamin’ny alalan’ireo tompon’andraikitra amn’izany any an-toerana moa ireto omby azo ireto.
m.L