Ny alakamisy 6 May teo nandritra ny fahatongavan’ny fitaovana entina mandrava ny foto-drafitrasa teo anivon’ny kianja monisipalin’i Toamasina ny zoma 7 May, no naharay ny taratasy fanesoarana azy eo amin’ity toerana misy azy an-tsisin’ny kianja monisipaly ity trano fisakafoanana ity
Niantso mpanao gazety nanazavany ny heviny momba izany ireo mpitantanana ity trano fisakafoanana ity ny alatsinainy misandratr’andro teo, ka nandritra izany no nilazan’i Atoa Rakotomalala Vincent Bernard izay mpiasa tao amin’ity trano fisakafohanana ity, fa nahaloa ny hofan-tany sy hofan’ny toerana nomena azy hatramin’ny taona 1998 izy ireo, nefa dia gaga izy ireo fa nesorina tsy nakana hevitra akory sy tsy mba nahazo ny sosialy momba izany akory. Marina hoy hatrany Atoa Rakotomalala Vincent Bernard fa efa nandefa taratasy tamin’ny fanapahana ilay fandravana ny kianja monisipaly tamin’ny fandanian’ireo mpanolontsaina, fa ho ravaina hanamboarana kianja vaovao « Arena », izy ireo ; saingy tsy nilaza datin’andro koa ilay taratasy nalefa tamin’izay fotoana izay. « Tsy manakana ny fanatsarana ny tanana sy ny kianja misy izahay », hoy hatrany Atoa Rakotomalala Vincent Bernard, fa « mba omeo kosa ny tombontsoan’ny mpiasa tsy maintsy ho voaroka satria nahaloa ny hetra hatrany izahay hatramin’izay ».
Nanamafy izany koa Rtoa Navinta Odette izay nilaza mahitsy fa « hatramin’ny taona 2015 nanavaozana ny fanofana ny toerana sy ny tanin’ny kaominina ity, dia nahaloa hatrany izany ny trano fisakafohanana… » ; ka ny tadiavin’izy ireo dia « …avelao mba hitsipona ao ambany ny latabatrareo ny amboakely, mba ahafahany miaina sy mivelona… ». Manomboka anio talata mantsy no handravana ny trano fisakafohanana, ka manao antso avo amin’ny mitondra rehetra sy ny filoham-pirenena izahay ny mba hijerena anay, fa tena mijaly sy tsy misy ho raisina intsony, indrindra fa ireo mpiasa 40 teto aminay.
Ankoatra izany dia efa rava avokoa ireo « tribune » sy ny « gradin » manodidina ny kianja izay noravaina nanomboka tamin’ny zoma 07 May teo. Raha ny vaovao dia anio talata indray ny fandravana ity trano fisakafohanana ity; ka efa nitaona entana sy efa niala ireo mpiasa tao anatiny hatramin’ny sabotsy teo. Nisy ihany ny fitarainana nataony tamin’ny ben’ny tanana saingy nanilika ny andraikitra any amin’ny fanjakana foibe misy ny ministera ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ny tenany.
Malala Didier