Tra-tehaky ny zandarmaria manara-maso ny fifamoivoizana eto Moramanga teo Anjiro ilay mpangalatra fiara Sprinter avy any Antananarivo. Miasa manao taksibrosy mitatitra vahoaka ao andrenivohitra ity fiara ity, ka ny zoma 07 aogositra teo no nisy vehivavy anankiroa niangavy hanao famandrihana manokana ity fiara ity fa haka olona ny ampitso. Nifanao fotoana tamin’ny folo ora teny Anosy fa hitsena olona avy any Fenerive-Est eny Ambohimangakely. Rehefa tao anaty fiara dia voalazan’ny vaovao fa nizara pizza sy ranom-boankazo ireo vehivavy ireo. Dimy minitra monja taorian’ny fisotroana ilay ranom-boakazo dia resy tory tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Efa hariva tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any vao nahatsiaro tena ny andron’ny 8 aogositra. Nampatorian’ny sasany teny ambony bozaka izy roalahy. Avy hatrany dia nilaza tamin’ny tompon’ny fiara izy ireo. Tamin’io fotoana tany Moramanga ilay tompony. Io andro io ihany tsy niandry ela ireto farany fa avy hatrany dia nampilaza ny zandary teo an-toerana izay tonga dia nanao ny asany. Teny Anjiro no hita ilay fiara ary lehilahy iray no nitondra azy. Rehefa nanontanian’ny mpitandro filaminana izy dia nilaza ho tsy misy hifandraisany amin’ireto vehivavy roa nanome pizza sy ranom-boankazo an’ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Niroso tamin’ny famotorana hatrany ny mpitandro filaminana ary mbola karohina ireo vehivavy roa. Omaly no natolotra ny fitsarana ilay rangahy nitondra ny fiara halatra.
CATHY