- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano Chrome : Ankizilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny

Morarano Chrome : Ankizilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana, narahin’ny fangalàna an-keriny tao amin’ny kaominina Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny alahady hariva teo. Ankizilahy vao 14 taona monja no lasan’ireo olon-dratsy nataon’izy ireo takalon’aina.

Azo lazaina tokoa fa mandravarava ireo dahalo mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Avaratr’Antananarivo iny. Raha mbola eo am-pitadiavana sy fikarohana ireo olona miisa dimy, mbola eny am-pelatanan’ny dahalo  tokoa mantsy ireo mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe, dia izao nitrangan’ny fakàna an-keriny hafa izao indray koa tany amin’ny kaominina Morarano Chrome. Tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana dia jiolahy teo amin’ny efatra, izay nirongo fiadiana, no tonga nanafika ity kaominina ambanivohitra ity, tao amin’ny tanànan’Ambaibo. Nivantana avy hatrany tao amin’ny tokantrano nisy ity zazalahy vao 14 taona monja ity, izay mbola mpianatra ao an-toerana, izy ireo. Voalaza fa tsy naka na inona na inona ireto olon-dratsy fa ilay zazalahy no avy hatrany dia nobataina sy noteren’izy ireo hanaraka azy. Taorian’io no niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, izay notarihan’ny lehiben’ny zanatobimparitry ny zandary ao an-toerana, tamin’ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto olon-dratsy. Hatramin’ny ora nanoratanay, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny tompon’andraikitry filaminana any an-toerana, dia mbola eny an-kianja mihitsy ireo mpanara-dia ary mbola tsy avotra aloha hatreto ilay zazalahy.

Voalaza fa efa nitaky vola an-tapitrisany maro, manodidina ny eo amin’ny 25 tapitrisa ariary eo ho eo, ireto olon-dratsy ireto tamin’ny fianakavian’ity zazalahy ity, ho tambin’ny famotsorana azy. Izy moa izay mpianatra ao Ambaibo ary miara-mipetraka amin’ny rahalahiny. Ireo ray aman-dreniny kosa, raha ny angom-baovao, dia toa hoe mipetraka any ambanivohitr’i Brieville, Tsaratanana. Raha izay tokoa dia mety azo eritreretina ho ny tariky ry Del kely, izay efa nampitondra faisana izany distrika izany ihany no ao ambadik’ity fakàna an-keriny iray ity. Izy ireo rahateo ihany koa moa no efa voatondro ho tompon’antoka tamin’ireo fakàna an-keriny nisesisesy tany ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Ary marihina fa tsy dia mifanalavitra loatra ireto distrika telo ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici