
Ela ny ela ! Voasambotra tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro, tao amin’ny distrikan’i Moramanga iny, omaly, ilay lehiben’ny jiolahy mpaka an-keriny, nampitondra faisana distrika maromaro, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Del kely, raha ny fampahafantarana nataon’ny zandary.
Raiki-tadidy ho an’ireo mponina efa lasibatry ny fakàna an-keriny mihitsy angamba ny andron’ny omaly, 13 may, andro nahasamboran’ny zandary izay notarihin’ny Kaomadin’ny faripiadidian’izy ireo eto Antananarivo (Cirgn Tana), ny Jly Andry Rakotondrazaka, ilay jiolahy malaza ratsy, hatrany Betsiboka, mandalo an’Analamanga ka hatrany Alaotra Mangoro.
Voatifitra.Raha ny fampahafantarana nataon’ireto farany dia voasambotra tao amin’ny amin’izany tanànan’Ambohibolakely, kaominina Morarano Gara, distrikan’i Moramanga i Del kely. Marihina, araka io fampahafantarana sy vaovao azo io hatrany fa « teo am-pisamborana azy dia voatifitra ny feny havia ka nentina hotsaboina any Moramanga sady atao andrimaso hentitra ». Mbola misy namany hafa karohina fatratra sy hatao hazalambo ihany koa raha ny vaovao hatrany ary « tsy maintsy ho tratra ireo olon-dratsy mpiaraka aminy ary tsy maintsy milamina ny faritra izay nampihorohoron’izy ireo »
Namany akaiky. Fa ankoatra izay, manampy ireo naman’i Del kely efa tratra, dia nampahafantatra ihany koa teny anivon’ny Tafika Malagasy fa voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny ZDS Ankarafantsika, tao amin’izany tanànan’Ambohimiandra, kaominina Morafenoboana, distrikan’i Maevatanana, ireo namana akaikin’i Del kely, fantatra amin’ny anarana hoe Mita, Honoré ary Rivo. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa moa ny mpitana ody sy mpimasin’ireto olon-dratsy ireto ary ny basim-borona miisa roa niaraka tamin’ny bala maromaro.
Volabe. Marihina fa taona vitsy lasa izay dia nisy ny filazàna ofisialy nivoaka fa omena vola an-tapitrisany maromaro ireo izay mahasambotra na manam-baovao ahafahana misambotra an’i Del kely. Mbola manankery hatramin’izao io fanambazàna volabe io, satria tsy mbola nisy fanambarana nilaza ny mifanohitra aminy hatreto. Mazava ho azy fa azon’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena indray ny volabe raha izay. Tsiahivina tokoa mantsy, fa efa nisy fanambazàna volabe tahaka izany, izay natao hikarohana na hisamborana ireo jiolahy rain-dahiny. Anisan’ireny i Lamà, izay malaza ratsy amin’ny resaka fakàna an-keriny teratany vahiny. Ireo zandary, indrindra fa ireo teo anivon’ny Cirgn Tana no nibata ny volabe tamin’izay fotoana izay, rehefa nahasambotra azy teo Analamahitsy, volana maromaro lasa izay. Niara-nahatadidy ny rehetra fa i Lamà ihany koa tamin’io fotoana io dia voatifitra teo amin’ny … feny ary namoy ny ainy ora vitsy taorian’izay.
m.L