Nahavelom-bolo ny marary maro ny fomba fiasa tao amin’ity toeram-pitsaboana tsy miankina (Clinique) ity, indrindra tamin’ity ady nataon’ny Malagasy amin’ny coronavirus; satria aina maro no navotana teo amin’izy ireo nandritra izany. Vokatr’izany dia maro ireo orinasa tsy miankina sy ireo olona ambony no mitsabo tena eo amin’izy ireo, vokatry ny Covid-19.
Mianadahy samy mpiasam-panjakana izy ireo no nitantana ity toeram-pitsaboana eny amin’ny boriborintanin’Anjoma ity, ka ilay dokotera lehilahy no teknisiana amin’ny fitsaboana valanaretina, isan’izany ny coronavirus, ka isan’ny nampandroso be ilay toeram-pitsaboana. Voatery nampiasana “la bache” mihitsy handraisana ireo marary teo ivelany. Ilay vehivavy mpiara-miasa aminy kosa, niantoka ny trano fitsaboana, sy isan’ny mpanao politika eo anivon’ny antoko matanjaka ary mpikamban’ny mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, sady “medecin inspécteur” tao amin’ny distrikan’i Toamasina I. Nivadika ny rasa ankehitriny fa raikitra ny ady mivantana teo amin’ireto dokotera roa ireto noho ny hevitra tsy mitovy.
Nahasorena ilay dokotera lahy mantsy ny fomba fitantanana ataon’ilay dokotera vavy ireo marary tonga ao amin’izy ireo, indrindra manoloana ireo tale sy olona ambony samihafa amin’ny orinasa miditra ny toeram-pitsaboana, mararin’ny Coronavirus. Vokatr’izay disadisa lalim-paka teo amin’ireto dokotera roa ireto, dia nisintaka mba tsy hitaran’ny ady ilay dokotera lahy ny faran’ny herinandro teo, nefa tsy naha-faly ilay dokotera vavy izany. Nisy noho izany ny fandroahan’ilay dokotera vavy ireo marary nitsabo tena tamin’ilay dokotera lahy tao aminy. Tena mbola ao anatin’ny fitsaboana tena tanteraka anefa ireo marary nandritra ny fandroahana azy ireo. Teo koa ny fandroahana ireo mpitsabo mpanampy nampidirin’ilay dokotera lahy, izay mbola fianakaviany nandritra izany.
Ny ireharehany nandritra izany dia ny maha-mpikambana amin’ny antoko matanjaka azy eto Toamasina sy ny maha-mpanolotsain’ny kaominina avy amin’io antoko io azy. Tsy mbola hay na hitondra ny raharaha amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ireo voaroaka, na ireo marary na ireo mpiasa, nefa nilaza ny tsy miraharaha sy tsy matahotra izany ilay dokotera vavy fa mpanao politika amin’ny antokom-panjakana ny tenany.
Malala Didier