- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Omby azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Mandoto : Omby azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Very an-javony ny tetik’adin’ireo dahalo nikasa hangalatr’omby an-tsokosoko tany amin’iny faritry Vakinankaratra iny, tao amin’ny distrikan’i Mandoto ny faran’ny herinandro teo. Azo tsy fidiny teny am-pelatanan’ireto olon-dratsy mantsy ireo omby. Izany, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenana dia noho ny tetik’ady maty paika nananan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Voabahana sy voasakana tamin’ny lafiny rehetra mantsy ireo kizo na ireo lalan-kalehan’ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nitondrany ny omby hany ka noraisim-potsiny ireto omby halatra, raha tafaporitsaka kosa ireo nitondra azy. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy dia ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo nisy naka tao am-bala ny omby vitsivitsy, tao amin’ny Ankazobe, fokontany Andromba, kaominina Vinany, distrika Mandoto. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary tao amin’ny poste fixe tao Ambatofotsy, izay nanampy ireo fokonolona tamin’ny fanarahan-dia ireto omby very. Tao anatin’izay ihany koa dia efa nampandrenesina ireo zandary teo amin’ny manodidina ary nisy taorian’izay ny fiandrasana ireo vavakizo rehetra : tao Ampotaka, Maromandray, Ambatolahy, Ambaniravinkazo tamin’io alina io ihany. Tampina tanteraka araka izany ny lalan’ireto olon-dratsy nitondra ireo omby halatra ka hany herin’izy ireo dia namela ireto hazany. « Tsara petraka ny paik’ady ary haingana ny fomba fiasa hany ka sasa-poana toy ny ganagana mitety asa ireo dahalo noho ny traik’efa ananan’ny zandary any amin’iny faritra Mandoto iny » hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici