Raha namonjy fandevenana ny mpampiasa azy no niditra an-tsehatra tamin’ny asa ratsy ilay mpanampy an-trano. Nalainy ny volabe mitentina 20 tapitrisa ariary ary nitsoaka tany amin’ny tany niaviany izy avy eo. Irakiraka no asan’ity tovolahy ity tao amin’ilay tokantrano iray etsy Ambatoroka. Efa mba mailo ihany ny tompon-trano ary nohidiana ny trano misy azy ireo saingy mbola voapitsok’ilay olon-dratsy hatrany. Azo heverina fa efa hitany ny fitoeram-bola ary dia norobainy tao izany. Tamin’ny fomba nitsoahana indray dia saika hanofa môtô izay mitentina enina alina ariary teo amin’ny fasan’ny karana Anosizato izy mba hanatitra azy ho any Antsirabe. Tsy raikitra anefa izany rehefa niahiahy ny taxi-môtô na koa noho ny tsy fisian’ny taratasy. Tsy kely làlana ny ratsy ary dia tafainga an-tsokosoko teto Antananarivo ihany izy ary tonga tsara tany Antsirabe. Eo koa dia tokony hisy fanadihadiana misokatra satria anatin’ny mihidy tanteraka ny faritra Analamanga ary mbola feno barazy eny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Kanefa dia vitan’ilay tovolahy ny nandika izany rehetra izany. Rehefa tonga tao Vakinankaratra izy dia namonjy ny havany tao Antsirabe, natory tao. « Ny ampitso dia nividy bisikilety tsy mataho-dàlana sy lafo vidy ary koa kojakoja hafa toa ny fitaovana hahazoana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ary zava-maneno. Rehefa azo izay rehetra izany dia nody tany Sahanivotry izay tanàna niaviany izy », raha araka ny fanazavan’ny zandary ao Vakinankaratra izay nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. « Notadiavina tamin’ny alalan’ilay mpanera izay nampiditra azy niasa ny raikeliny ary io farany no nanondro ny fonenany tany Sahanivotry. Nosamborina ary noraisim-potsiny tao Masoandro Sahanivotry izy. Vola mitentina 17.360.000 ariary sy ireo fitaovana novidiany no sarona niaraka taminy. Natolotra manontolo ny tompon’ny vola ireo », hoy hatrany ny zandarimaria. Nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny halatra ilay tovolahy rehefa vita ny fanadihadiana azy teny amin’ny zandary ka natolotra ny fampanoavana tao Antsirabe. Mila mailo hatrany ny mpampiasa manoloana ny mpanampy an-trano, indrindra momba ny fitoeram-bola sy ny firavaka sarobidy…
D.R