Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo olona dimy voarohirohy tamina resaka fangalàna an-keriny ankizy vavy kely, niseho ny alatsinainy 04 aogositra lasa teo. Naiditra am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, ny olona telo tamin’ireo voasambotra, ka lehilahy ny roa ary ilay vehivavy atidoha nikotrika iny tranga iny. Nomen’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika kosa ireo vehivavy roa hafa. Ireto farany, raha ny fanazavana azo, dia isan’ireo nitazona ilay laharana finday saika handefasana ilay volabe notakian’ireto mpaka an-keriny ireto. Raha ny filazan’ny iray tamin’izy ireo, izay tovovavy vao avy nanala fanadinana ara-panjakana teo, raha ny filazany, dia « nilaza ho tsy nahafantatra ny fisian’io tranga io izy ary am-pitaka ny nitondrana azy teny amin’ny mpitandro filaminana». Ny Fitsaràna ihany anefa no afaka hanamporofo ny marina amin’ity raharaha ity.
m.L