Nsihenoana haitrano mahatsiravina indray teto Antsirabe ambonivohitra. Tsy nisy noraisina fa levon’ny ny afo ny trano, may avokoa ny entana sy fananana rehetra.
Tao ambavahady mangatsiaka, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, no nisehoan’ ny loza ny alahadin’ny pantekoty teo. Trano lehibe misy rihana roa ity tra-doza ity. Tao amin’ny rihana faharoa no nipoiran’ny afo raha ny fanazavana. Mpiray vody rindrina no nahatazana voalohany ny firehatry ny trano ka niantso vonjy. Marihina fa samy tsy nisy olona na tao amin’ny rihana voalohany na tao amin’ny rihana faharoa tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Vetivety dia nahazo vahana ny afo,ny trano rahateo tsara hidy ka nananosarotra ny mpiray vodirindrina ny namonjy ilay trano. Nanao izay ho afany ihany ny mponina sy ny manodidina tamin’ny fitaovana teo ampelatanana fa sarotra ny namehezana ny afo. Naharitra ora efatra teo vao tena voafehy ny afo. Raha ny fitantaran’ny tompon-trano moa dia famonoana afo atoraka toy ireny baomba mamoaka entona fotsy ireny, avy tao amin’ny restaurant Razafimamonjy Antsenakely no tena nahafaty ny afo.
Antapitrisany maro ny teti-bidin’ny entana may, sady toeram-piasana mantsy no toeram-ponenana ity trano kilan’ny afo ity. Tao amin’ny rihana faharoa, toerana fanaovana volo sy fikarakaraka ara-batana no fivarotana ihany koa. Tao amin’ny rihana ambany kosa, toeram-ponenan’ny tompotrano no sady fivarotana entana majinika. Tao amin’ity farany mba avotra ihany ny entam-barotra fa simba kosa ny fanaka rehetra.
Niteraka resa-be teto Antsirabe moa ity fahamaizana trano ity satria mateti-pitranga eto ny haitrano. Ny tananan’Antsirabe izay tsy mbola manana ireny fiara mpamonjy voina ireny hatramin’izay nefa » ville d’eau » ny fiantso azy. Maro ireo mpitondra nifandimby teto samy nampanantena fiara mpamonjy voina fa lainga avokoa. Andrasana kosa ity fitondrana ity izay nisoloan’ny governoran’ny faritra tena izay nilaza efa andalana ny fahazahoana izany fiara mpamonjy voina izany.
Andry N.