Efa vita zato isan-jato ny fanamboarana ny kianja manarapenitra ao Ihosy, faritra Ihorombe ankehitriny. Eo ampamitana ny pitsopitsony madinika sisa ireo mpanamboatra. Ao anatin’izany ny fampitoviana lanja amin’ny alalan’ny fandrarahana « granulat SBR » mba hahamarin-drano tsara ny firafitry ny kianja. Ao anatin’izao fitsidiham-paritra izay ataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izao dia tonga nitsidika ny fizotry ny fananganana ireto fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ireto ny tenany sy ny solontena avy amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny kianja « synthétique » dia mahazaka mpijery manodidina ny 1000 isa ary ahitana ireto manaraka ireto: efitra fisoloana akanjo ho an’ny mpilalao miisa efatra, ho an’ny mpitsara miisa roa, efitra fidiovana miisa roa ary toeram-pivoahana miisa efatra. Eo ankilany eo ihany moa no nanorenana ny kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery 1000 isa. Azo andraisana lalao ara-panatanjahantena amin’ny taranja samihafa toy ny basikety, hand-ball, volley-ball, badminton, tenisy, tenisy ambony latabatra ary fifaninanana eo amin’ny hay ady sy fibatana fonjam-by ity fotodrafitrasa faharoa ity. Ahitana efitrano maro ao anatiny toy ny efitrano fisoloana akanjo ho an’ny mpilalao miisa efatra, ho an’ny mpitsara miisa roa sy ho an’ny infirmiera miisa iray, ny birao miisa roa, efitra fivoriana miisa roa, ary efitra ho an’ny mpanao gazety sy ny toeram-pivoahana. Mandroso tanteraka ny asa ankehitriny ary ny 40 isan-jaton’ny « tranche ferme » no efa vita. Tsy ho ela, araka izany, dia hisitraka fotodrafitra goavana ny mpitia fanatanjantena ao an-toerana.
Manjato Razafy