Nitohy hatrany ny hetsika manokana hisamborana sy hanakanana ireo mpiray petsapetsa sy mpiray tarika tamin’ingahy Del kely, tao anatin’ireo asa ratsy rehetra nataony. Tany amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny, ny herinandro lasa teo dia fantatra maty voatifitr’ireo mpitandro filaminana ny sakaizan’i Del kely, niaraka tamin’ireo namany hafa.
Nisy ihany koa ny hetsika fampandriana fahalemana natao tany amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny, tao amin’ny kaominina Brieville. Voasambotra tao anatin’izany ny vehvivavy iray, izay fantatra fa sakaizan’i Del kely, niaraka tamina jiolahy roa, lefiny. Rehefa voasambotra tao izy telo ireto, ary nentina mba hanondro ireo namany hafa, rehefa nanaiky ny hifampiraharaha tamin’ireo mpanao fanadihadiana. Tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Bevondrona, fokontany Malamamaina anefa dia nanita-kevitra ny hitsoaka izy ireo. Voatery nampiasa basy ary nitifitra ireo mpitandro filaminana rehefa nampitandremana ny tsy hanohizany ny fitsoahany intsony ireto farany. Araka ny tatitra azo dia ny roa, ireo roalahy no maty voatifitra avy hatrany tao anatin’izany. Naratra mafy, vokatry ny tifitra nahazo azy kosa ilay vehivavy ary nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Voalaza fa teny an-dalana ho amin’izany moa ity farany no namoy ny ainy.
Efa nambaran’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny mpitandro filaminana fa tsy mijanona teo amin’iny hetsika manokana natao tany Anjozorobe, izay nahafahana nisambotra sy nahafaty an’i Del kely iny ary ireo mpiray tendro aminy iny ny adidy ataon’izy ireo. Tsy maintsy atao izay hiverenen’ny fandriampahalemana ary hamongorana hatramin’ny fakany ireo ratsa-mangaikan’ity jiolahy rain-dahiny ity erak’ireo faritra rehetra efa nampitondrainy takaitra.
m.L