Ny faran’ny herinandro lasa teo, zazakely indray no lasibatry ny fakàna an-keriny tao amin’ny tananan’i Foroanarina, fokontany Ambohimamory, tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’io tanana io, araka ny fampitam-baovao azo.
Tsy lavitra ny renivohitry ny distrika akory ity tanana lasibatry ny asan-dahalo sy fakana an-keriny ity, ary mbola ao anatin’ny kaominina Anjozorobe mihitsy aza. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tokantrano iray tao an-toerana ity nitondra faisana tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny ity. Maromaro ihany izy ireo ary samy nitondra basy, raha ny angom-baovao azo. Ny sasany izay namaha avy hatrany ny valan’omby ary nitondra ireo omby, ny sasany kosa nanao amboletra niditra tao an-trano ary nandrahona ireo tompon-trano. Nobatain’izy ireo an-keriny ary nentiny nanaraka azy ny zaza tao an-trano taorian’izay. Soa ihany anefa, taorian’ny antso vonjin’ireo mpianakavy ary ny fanarahan-dia avy hatrany natao dia navotsotr’ireo olon-dratsy ireo ankizy nataon’izy ireo takalon’aina ireto. Ireo omby kosa no nentin’izy ireo. Efa nampandrenesina mahakasika ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary efa misy ny fanarahan-dia ireo dahalo nanomboka tamin’io fotoana nitrangan’ny fanafihana io tany an-toerana.
Isan’ny nitondra taikitra fatratra tamin’ny asa ratsy nataon’i Del kely sy ny forongony tokoa raha iny distrikan’Anjozorobe iny fotoana maromaro lasa izay. Amin’izao fotoana izao, voalaza fa efa iny maty voatifitra iny ity lehiben’ny dahalo mpaka an-keriny ary nihevitra ny rehetra fa hiaina am-pilaminana amin’izay. Kanjo toa mbola mieloelo hatrany anefa ny angatr’ity jiolahy ity ary mbola tsy mety foana ny asa ratsiny.
Nangonin’i m.L