- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mirongatra ireo mpangalatra volo

Behoririka : Mirongatra ireo mpangalatra volo

Tsy poketra sy vola intsony indray fa volo ! Raha ny lasibatra dia efa maro, tsy ho tambo isaina amin’ny ratsan-tanana intsony, ary vehivavy ny maro an’isa amin’izany tato ho ato. Raha ny angom-baovao nataonay teny amin’iny faritra Behoririka iny sy araka ireo fitarainana mitobaka anaty tambajotra sosialy ao dia mirongatra eny amin’iny faritra Behoririka iny ny fangalarana … volo tato ho ato. Tsy tahotra tsy henatra intsony ireo olon-dratsy manapaka an-kitsirano ny volon’olona, eny am-pandehanana eny.

Tapa-bolo. Ramatoa iray sendra niantsena teny amin’iny faritra iny no lasibatra, vao andro vitsy lasa izay. Somary mifanisika ihany ny eny an-toerana, indrindra fa ilay faran’ny herinandro alohan’ny fihibohana iny. Ka tao anatin’izay indrindra no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanapaka ny volony. Zavatra mangatsiaka nandalo tao amin’ny hatony no voalaza fa hany zavatra tsapany dia izay. Tsy tonga saina mihitsy raha tsy efa niboraka ny volony ary tafajery fitaratra. Ny roa am-pahatelon’ny volony no tsy hita. Volo izay efa nokarakaraina sy nampaniriana tao anatin’ny taona maro. Araka ny filazan’ireo efa nahita ireo olon-dratsy nanao ity asa ratsy iray ity dia mazàna ireo vehivavy lava volo, manao « queue de cheval », na mifatotra aty aoriana, na ireo vehivavy mirandrana aty aoriana no ataon’izy ireo mahita faisana mihitsy. Hatreto, tsy mbola nisy tratra ireto mpangala-bolo ireto, izay efa tambajotra mihitsy angamba.

Lafo vidy. Araka ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana hatrany dia malaza fa efa misy mpandray ireny volon’olona notapahina ireny. Ataon’ny olona tohim-bolo na « tissage » na ihany koa atao solom-bolo na « perruque » na « postiche ». « Lafo dia lafo raha mitaha amin’ireo solom-bolo vita plastika saika amidy etsy sy eroa ny volo tena izy. Misy mahavita manombana aman’hetsiny maromaro any ho any ny bokoboko iray mihoatra ny 21sm ohatra, miankina amin’ny hatsaran’ilay volo» araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra misahana toerana fanaovam-bolo iray. Tsy atao mahagaga araka izany raha mirongatra izay tsy izy indray ity halatra volo ity. Feo mandeha etsy sy eroa aza ny hoe, toa misy sasantsany amin’ireo volo tena izy, amidy sy voalaza fa nohafarana avy any am-pitandranomasina no tsy taiza fa isan’ireo volon’olona nangalarina teny amin’iny faritra iny. Feo mandeha izay mijanona ho tsaho aloha hatreto mandra-pisokafan’ny fanadiahadiana. Na izany na tsy izany aloha, miantso ireo tompon’andraikitry ny filaminana ihany ireo efa lasibatra mba hijery akaiky ity trangan-javatra izay miha-mahazo vahana ity. Sarotsarotra ihany mantsy, hoy izy ireo, ny toerana misy azy. Ny any an-trano tsy te-hahalala, moa, raha hametraka fitoriana, hafahafa ihany ny hanoratra eo amin’ny votoatiny hoe « nisy nanapaka sy nangalatra ny voloko … »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici