Olona folo hatreto no fantatra fa voarohirohy tamin’ilay raharaha nahafaty ny Talen-tsekoly tao amin’ny CEG Ambatomanoina, nitranga ny faramparan’ny volana aprily teo. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa moa izy ireto.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana, miandraikitra iny raharaha iny dia fotoana vitsy taorian’iny tranga iny ihany dia efa nisy vokany sahady ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Nisy olona maromaro efa nosamborina. Nahatratra valo izy ireo, izay mpiray tsikombakomba sy nandray anjara nivantana tamin’ilay famonoana, hoy hatrany ny fanazavàna. Taorian’ny famotorana natao moa dia samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa izy valo mianadahy ireto ary efa nadoboka am-ponja vonjimaika. Marihana fa amin’ny raharaha vono olona tahak’izao dia tsy maintsy niroso tamin’ny famotorana lalina ny teo anivon’ny Fitsaràna ka taorian’izay no nisy baiko ny hisamborana olona roa hafa. Ny talata teo ireto olona ireto no nosamborina araka izay « delegation judiciaire » nomen’ny Fitsaràna izay, hoy hatrany ity lehiben’ny zandary any an-toerana. Anisan’ireo olona nosamborina tao anatin’izany ilay lehiben’ny FRAM tao an-toerana, raha ny vaovao nampitaina hatrany. Nentina niakatra teny Anosy, niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana avy hatrany omaly ireto olona ireto, raha ny angom-baovao azo ary samy nadoboka am-ponja avokoa. Marihana anefa, raha ny fanazavàna azo hatrany fa tsy mbola nijanona hatreo akory ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity fa mbola misy olona maromaro karohina fatratra amin’izao. Ao anatin’izany ilay tena tompon’antoka sy atidoha nikotrika ilay fanafihana.
Raha tsiahivina ny zava-nitranga : ny 23 aprily lasa teo, notafihan’olon-tsy fantatra ity talen-tsekoly ity. Maty voatifitra vokatr’izany ny lehilahy ary lasan’ireo olon-dratsy ny vola manodidina ny efatra tapitrisa ariary. Marihana fa ankoatry ny asa fampianarana dia sady manao ny asa fanangonam-bokatra any amin’iny faritra iny ihany koa ity raim-pianakaviana ity.
m.L