Nandritra ny fivorian’ny mpanolotsain’ny tanàna tao amin’ny kaominin’i Fenerivo atsinanana, dia navaivay ny fanakihanana nataon’izy ireo ny ben’ny tanàna amin’ny fitantanana sy ny fampandehanana ny kaominina ankehitriny. Araka ny vaovao voaray mantsy, avy any an-toerana, dia 12 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny kaominina, ka voatery nampiantso fivoriana nandinihana izany ny filankevitry ny tanàna, ny 14 avrily teo, tamin’ny alalan’ny filohany Atoa Benoro Christian.
Fantatra koa anefa izao fa nampiantso fivoriana tsy ara-potoana faha-3 indray ny filohan’ny filankevitra, ny 26 avrily hatramin’ny 30 avrily 2021 teo. Mbola nodinihina nandritra ny lahadinika tamin’izany ny momba ny mpiasa sy ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny kaominina ary ny fampiasana ny volam-bahoaka azo avy amin’ny hetra samihafa. Tonga avokoa ireo mpanolotsaina 9 mandrafitra izany filankevitra izany ao Fenerivo atsinanana, ka nandritra izany no nanazavana ny tsy fandraisan’ny mpiasa ny karamany tao anatin’ny 12 volana, izany hoe hatramin’ny nametrahana sy naha ben’ny tanàna an’Atoa Manirisoraly Stewen Miany, ben’ny tanànan’i Fenerivo atsinanana.
Lanin’ireo mpanolotsaina ao anatin’ny fanapahana laharana 09/2021-CM/CUF/DEL ny 30 avrily izany tsy fahombiazam-pitantanana teo amin’ny ben’ny tanànan’i Fenerivo atsinanana izany. Vokatr’izany, mangataka ny fametrahana filohan’ny delegasionina manokana (Pds) ireo mpanolotsaina 9 ao an-toerana. Eo anefa dia tsy mety ny foto-dalàna nataon’ireto mpanolotsaina ao Fenerivo atsinanana ireto, satria raha ny lalàna dia misy aloha ny fangataham-panazavana amin’ny ben’ny tanàna izay tokony hovaliany ao anatin’ny 48 ora ao anatin’ilay fivoriana nangatahan’ny mpanolotsaina. Aorian’izany dia manapaka izy ireo amin’ny fangatahana fampiatoana, ka manamarina izany ny prefektiora. Ny governemanta no mandray fanapahana ny fampiatoana ilay ben’ny tanàna.
Ankoatra izany, raha tontosa izany any an-toerana dia ity izany no ben’ny tanàna faharoa nampiatoina tamin’ny asany tao Fenerivo atsinanana. Fantatra koa izao fa tena mivangongo avokoa ny fako ao an-toerana ankehitriny noho io tsy fahaiza-mitantan’ny ben’ny tanàna ao Fenerivo atsinanana io, araka ny vaovao voaray hatrany.
Malala Didier