- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana sinto-mahery : Ela nitoratorahana ka matin’ny fokonolona i Nino

Fanaovana sinto-mahery : Ela nitoratorahana ka matin’ny fokonolona i Nino

Efa ela no narahi-maso tamin’ny sinto-mahery fanaony Ingahy Nino, hoy ny polisy, nefa tratran’ny fokonolona teny amin’ny tsenan’Ankirihiry nanao izany sinto-mahery izany ny tenany, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka nitarika faharatrana mafy taminy. Soa fa tonga teny ny mpitandro filaminana avy amin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, saingy efa naratra mafy Ingahy Nino nandritra izany ary nentina namonjy hopitaly notsaboina azy. Nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo nitazomana ny ainy mba hahafahana manasazy azy noho heloka vitany, saingy raha tamin’ny 11ora no tratran’ny fitsaram-bahoaka izy dia tamin’ny 6 ora hariva ny alarobia 26 may teo io ihany dia tsy tana ny ainy. Raha ny fanazavana voaray avy eny anivon’ny polisim-pirenena dia efa nandrasan’ny olona tao Bazary kely fotsiny izy tamin’izao heloka fanaony izao, saingy ny teny amin’ny tsenan’Ankirihiry izy no niharan’izany fitsaram-bahoaka izany. Nomarihan’ireo mpitandro ny filaminana ihany koa fa tsy tany am-ponja izany Ingahy Nino raha nisy ny fotoana nahasamborana azy. Tsara mpiaro ny tenany mandritra ny fisamborana azy ka mazana ireo mpisambotra indray no mahazo fanakihanana. Mba afaka miaina kely indray izany ireo mpiantsena ao Bazary kely sy ao amin’ny Bazarin’Ankirihiry amin’izao fahafatesan’Ingahy Nino izao, saingy ireo ekipany mbola manao ihany. Ankoatra izany anefa, talohan’io nahatrarana azy nanao izao sinto-mahery tao amin’ny Bazarin’Ankirihiry ity, dia namoaka serasera tao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” fa misaona sy malahelo ny vadiny maty izany ny tenany. Nisy mihitsy ny famoahany ny sarin’ilay hoe vadiny maty vokatr’izany. Saingy nanara-dia azy koa izy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici