- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Nifanenjika an-dalambe ny fiaran'ny polisy sy ny jiolahy

Ivato : Nifanenjika an-dalambe ny fiaran’ny polisy sy ny jiolahy

Toa ireny amin’ny sarimihetsika ireny. Nanomboka tetsy Ampasika no nanomboka nanenjika ny fiara misy jiolahy roa ny polisy. Teny Ivato no nifarana izany rehefa tsy namelan’ireo mpitandro ny filaminana hatramin’ny farany. Izany hoe nifanenjana tao anatin’ny kilaometatra am-polony ny roa tonta. Efa nokarohina ireo olona roa izay vosambotra noho ny raharaha fanafihana mitam-piadiana sy asan-jiolahy maromaro. Ny isan’ny farany tamin’izany dia ny fanafihana tetsy Ankadivato izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny roa tamin’ny ekipan’ireto mpanao ratsy ireto raha azo sambo-belona kosa ary nidoboka am-ponja vonjimaika etsy Antanimora ny roa hafa. Ireo roalahy ambiny kosa dia tafaporitsaka tamin’ny fiara tamin’io fotoana io ary tsy hita intsony izay nanjavonany. Telo herinandro taty aoriana anefa dia nisy olona izay nampandre ny polisy misahana ny heloka bevava (Bc4) fa nahatazana azy ireo izay naka lasantsy tetsy Ampasika. Natao ny fidinana maika teny an-toerana ary tena nitombina tokoa. Mbola ilay fiara nampiasain’ireo jiolahy tetsy Ankadivato no tazana teo Ampasika. Tsikaritr’ireo jiolahy ny fahatongavan’ny polisy ary dia nanapa-kevitra ireo ny nitsoaka indray. Nanomboka teo amin’izay ny hazakazaka tamin’ny fiara ho an’ny roa tonta ary tsy nijanona raha tsy tany Ivato. Efa voasakana sy nambanana basy vao tapitra izany. « Tamin’ny fakàna am-bavany azy roa lahy ireto no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadina eto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Marihana fa efa karohin’ny eo anivon’ny zandarimaria ihany koa izy ireo ary misy namany izay nandositra tany Ankadinondry-Sakay no saron’ny zandary tany an-toerana », raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Nentina teny amin’ny fampanoavana omaly ireo voakasika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici