- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Fenerivo atsinanana : Potika ny lalana, mivangongo ny fako,…maloto ny tanana…

Kaominin’i Fenerivo atsinanana : Potika ny lalana, mivangongo ny fako,…maloto ny tanana…

Simba tanteraka ny endriky ny tanàna.

Efa hatramin’ny volana desambra 2020 no niato ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny fanamboarana ilay kianja manara-penitra noho ny mpanao ny asa tsy voaloa vola. Ireo tetikasa hafa na izany aza mandeha ihany na eo aza ny olana ara-bola amin’ireo orinasa manao ny asa. Raha vita anefa ireo foto-drafitrasa ireo dia harena ambony honahona ihany, satria potika avokoa ny ankamaroan’ireo lalana ao an-tampon-tananan’ny kaominina Fenerivo atsinanana, manampy trotraka izany ny fiangonany fako sy ny loto etsy sy eroa ao an-tampon-tanana ao. Samy mitaza-potsiny na ny governora na ny ben’ny Tanana amin’ireo foto-drafitrasa simba sy potika ireo, fa tsy misy sahy mandray ny andraikiny amin’ny fanamboarana izany. Isany nanana ny lazany amin’ny fisiana lalana vita tara hatramin’ireo elakelantrano ny tao amin’ny kaominin’i Fenerivo atsinanana, ankehiriny 31 taona aty aoriana ny taona 1990 nanamboarana azy ireny, dia tsy hita izany fa tena potika avokoa, nefa isany nanome endrika ny tananan’i Fenerivo atsinanana izany rehetra izany. Tsy vitan’izany fa isany Tanana nadio koa raha i Fenerivo atsinanana teo aloha, fa ankehitriny dia feno fako sy maloto ny Tanana. Fako moangona sy mivangongo etsy sy eroa no hita amin’izao; tsy misy mpanala izy ireny izay anjaran’ny kaominina no misahana izany. Feno fako mivangongo ny araben’ny fahaleovantena sy ny moron-dranomasina, nefa samy mijery fotsiny izany ny ben’ny Tananan’i Fenerivo atsinanana sy ny governora ny faritra Analanjirofo. Maniry ny hanadiovana, sy hanamboarana, ny Tanàna ankehitriny ny mponina any an-toerana, mba hiverenan’ny tanànan’i Fenerivo atsinanana ho toy ny teo aloha ny lazany sy ny hatsarany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici