- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversFampandriana fahalemana any Atsimo : Zandary iray naratra, lehiben’ny dahalo maty voatifitra

Fampandriana fahalemana any Atsimo : Zandary iray naratra, lehiben’ny dahalo maty voatifitra

Zandary iray avy amin’ny USAD ( Vondron-kery manokana natao hiadiana amin’ny dahalo) no naratra nandritry ny fifandonana tamin’ny andian-dahalo teo anelanelan’Amboasary Atsimo sy Ambovombe Androy ny talata teo. Tetsy andanin’izay kosa anefa dia fantatra fa lehiben’ny dahalo iray no maty voatifitra ary omby anjatony no azo teny am-pelatanan’ireto malaso ireto. Taorian’ilay fanafihan-dahalo nivaivay tany amin’iny tapany atsimo iny, indrindra ny tao amin’ny faritra Anosy, dia nisy hatrany ny hetsika maro samihafa niraisan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy fifandonana mahery vaika teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny andian-dahalo, rehefa nisy ny famakiana ny kizo fanafenan’ireo olon-dratsy ireo omby halatra azon’izy ireo. “Nogejaina tao anatin’ny toerana roa, dia 300 tao amin’ny alan’Analalava, fokontany Antanimary, kaominina Ambatomivary, district Betroka izay nogejaina ao Isoanala sy 209 tao Ankilimary izay eo anelanelan’i Tomboarivo Amboasary-atsimo Anôsy sy Imanombo Ambovombe-Androy izay naterina ao Tsivory”. Nandritra io hetsika no nahavoa ny zandary iray. “Naratra voatifitra teo amin’ny vatan-dranjony noho izany ny zandary iray izay mandrafitra ny andiany USAD nanara-dia saingy efa manaraka fitsaboana sahaza”. Tetsy andanin’izay kosa anefa, rehefa nitohy ihany ny hetsika dia mbola nisy fifandonana hafa indray teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo andian-dahalo, izay tsy nanaiky mora foana ny fangalana ireto rembin’izy ireo. Tamin’ity indray mitoraka ity indray anefa dia fantatra fa tany amin’iretsy malaso indray no nisy nahavoazana. “Raikitra ny fifanjevoana nandritry ny minitra ampolony, ka lavo tamin’izany ny sefon-dahalo iray izay mirongo fiadiana sy moara”. Hentitra ny baiko ary tanjona tokana no mamelona ny risim-pon’ireto mpampandry tany any Atsimo ireto dia mba hamongora hatramin’ny fakany ireo mpanao ratsy sy ity asan-dahalo sesilany, tsy mitsaha-mirongatra ity. Tsy ny any Atsimo irery ihany anefa fa saika manerana ireo faritra maro eto amintsika. Ny tany amin’iny avaratra andrefana sy nikasika ny teto am-povoan-tany aloha dia somary nangingiana ratsy ihany taorian’ny nahatratrarana an’ingahy Del kely sy ireo olona maro mpiray tsikombakomba taminy, eny fa na dia misy tsindraindray aza amin’ireo tanana sasantsany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici