Very ny kitapo izay nisy finday, nisy karatra maha-mpanao gazety ary koa nisy vola. Teo amin’ny manodidina ny fiangonana etsy Ambalavao-Isotry no nitranga ny fanendahana ity mpampahalala vaovao ity. Tetsy andanin’izay, ny ampitson’iny dia nisy mpanendaka voasambotra teo amin’ny tetezan’i Bekiraro. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ary nampifandraisina ny tranga roa dia niaiky ilay tovolahy fa nandray anjara feno tamin’ny fanendahana mpanao gazety. Efa mpamerin-keloka ary vao haingana aza no nivoaka ny fonja ilay mpanendaka. Tsy miala lavitra an’Isotry ny toeram-piasany. Nidoboka am-ponja indray rehefa natolotra ny fampanoavana. Toa mahalasa saina ihany indraindray hoe raisin’ny jiolahy ho toy ny fialan-tsasatra ve ny fidirana am-ponja ankehitriny? Betsaka loatra ny mpamerin-keloka…
D.R