- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversBizina rongony : Noraisim-potsiny ny tompony, 500 kilao sarona

Bizina rongony : Noraisim-potsiny ny tompony, 500 kilao sarona

Fahavalom-pirenena ny rongony, izay fositra mampirongatra ny tsy fandriampahalemana, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Rongony efa vita fatotra sy vonona ny haparitaka no tra-tehaky ny zandary tao an-drenivohitry ny faritr Atsimo Andrefana tao, omaly. Natao tao anaty gony miisa 46 isa izay ary nitontaly teo amin’ny 512,5 kilao teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia loharanom-baovao tonga teny am-pototsofin’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Toliara no nahafantarana fa misy olona mivonon-kanondrana rongony ao amin’ny fokontany Ankiambe Haut. Na dia noezahina nafenina tao ambadiky ny rindrina avo aza izany dia nisy nahatsikaritra hatrany. Ary tsy namelan’ireo mpitandro filaminana raha tsy tra-tehaka, teo am-pamatorana ireto “entana” ireo tompony. Nogiazana avy hatrany moa izany zava-mahadomelina izany. Tetsy andanin’izay kosa dia fantatra fa olona roa, ny tompony sy ny mpiandry tanana, no nosamborina ary efa eo am-panaovana famotorana lalina mahakasika ny loharano niavian’izany rongony izany ireto tompon’andraikitry ny fanadihadiana. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha raha ny fampitam-baovao hatrany. Fa ankoatra ity tany Toliara ity dia rongony milanja eo amin’ny 18 kilao teo kosa no tratra tao an-tokantranon’ny lehilahy lehibe iray tetsy Mahitsy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nolazain’ity farany fa tena azy avokoa ireo zava-mahadomelina ireo ary nokasainy haparitaka teo an-toerana sy tamin’ireo faritra manodidina. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ingahirainy ary nampidirina am-ponja vonjimaika araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici