- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : 5000ar ny “dose” iray amin’ny heroine

Tsimbazaza : 5000ar ny “dose” iray amin’ny heroine

Mbola maro tokoa ny mihevitra fa tsy mbola tonga eto amintsika ireny karazan-drongony mahery vaika fahita any ampitandranomasina ireny. Diso hevitra izy ireo fa tena misy tokoa ny mpivarotra ary saika Malagasy ireo mpanjifa, raha ny teny amin’iny faritra Tsimbazaza iny, hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Ny alarobia lasa teo tokoa mantsy dia nanao be midina teny amin’iny faritra Tsimbazaza, Marohoho sy Ankaditoho ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Izany dia taorian’ny angom-baovao nataon’izy ireo fa misy olona mivarotra rongony mahery vaika “heroine” eny an-toerana. Taorian’ny vela-pandrika dia lehilahy roa no tratrsa teo am-pivarotana izany zava-mahadomelina izany. “Mbola nahitana « héroïne » miisa 20 cocottes sy poti-drongony teny amin’izy ireo nandritra ny fanamborana azy”, hoy ny fampitam-baovao azo. Sady mifoka rongony izy ireto no mivarotra heroine ihany koa. “Ilay héroine dia misy manatitra ao aminy ka vidiana 3000Ar ny iray cocotte ary amidy 5000Ar. Mahalafo dimy ka hatramin’ny 10 cocottes izy ireo mandritra ny iray andro. Malagasy avokoa ny mpanjifa ary 28 ka hatramin’ny 34 ireo mpividy izany”, hoy hatrany ny vaovao. Omaly ihany moa izy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Ny fanadihadiana kosa heverina fa mbola hitohy, hahafantarana izay tena loharano niavian’izany rongony mahery vaika izany ary ny fomba nahatongavan’izany eto amintsika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici