- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Voasazy an-terivozona ireo mpangalatra

Ampasampito : Voasazy an-terivozona ireo mpangalatra

Dimy taona sazy an-terivozona miampy onitra efatra tapitrisa ariary. Izay no didin’ny fitsarana izay misahana heloka bevava mahakasika ireo telo lahy izay nangalatra fiara sy nanao herisetra tamin’ny mpamily izany. Fiara mpitatitra mpiasa io nalain’izy telo lahy io rehefa nambanana antsy ny mpamily, tetsy Ampasampito. Taorian’izay dia nentina nitsoaka tamin’ny RN4. Naka lasantsy teo Maevatanàna no sady nividy sakafo tao amin’ny « boutique » an’ilay fivarotan-tsolika. Mbola nitsoahan’ireo koa ny vidin-javatra rehetra rehefa azony ny entana. Voasambotry ny zandary teny amin’ny lalam-pirenena ireo ary notsaraina ary efa nidoboka am-ponja. Nilaza fa mamo dia nangalatra, izay no mba fiarovan-tenan’ireo tanora izay nahavita heloka bevava, raha nanontanian’ny fitsaràna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici