- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFisokafan’ny Faritra 22 : Avoaka ny razana rehetra notehirizina tany amin’ny «...

Fisokafan’ny Faritra 22 : Avoaka ny razana rehetra notehirizina tany amin’ny « morgue »

Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena ny alahady lasa nanokatra ireo Faritra 22 amin’ny fifamoivoizana dia maro ireo olona na fianakaviana nanana razana notehirizina tany amin’ny « morgue » no maka izany ankehitriny. Nisy tokoa ireo fianakaviana no voatery nametraka sy nitahiry ny fatin’ireo havany tany amin’ny « morgue » raha tokony ho entina any amin’ny fasan-drazany izany. Ity farany izay mazana any amin’ny faritra nihidy. Nisy tokoa ny fanambarana tao anatin’ny fepetra noraisina noho ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 fa azon’ireo mana-manjo atao ny mandevina ny fatin’ny havany raha tsy Covid-19 no nahatonga ny fahafatesana. Ankehitriny nisokatra ny faritra ka izay vao mirohotra maka ny havany avokoa ireo nametraka izany tany amin’ny « morgue ». Isan’ny tazana tao anatin’ireo ny loholon’i Madagasikara iray izay nanana havana nindaosin’ny fahafatesana nandritra ireny fihibohana ireny.  Afak’olana tokoa ny rehetra ankehitriny satria mafy amin’ny Malagasy izany tsy hilevina any amin’ny tany niaviana izany. Ny olana anefa dia ny mety hisian’ny hosoka ao anatin’ity raharaha ity. Ambara izany satria mety hisy ny alaim-panahy ka hitondra razana matin’ny Covid-19 ka hampiasa taratasy hosoka ilazana fa aretina hafa no nahafaty ilay razana entin’izy ireo any amin’ny toeran-kafa. Misy tokoa ny sakana sy fisavana ataon’ireo mpitandro ny filaminana ny antontan-taratasy mikasika ireny fitondrana razana ireny saingy ny olana dia tsy hanam-potoana sy fitaovana hanamarinana izany izy ireny eny an-dàlana eny raha sanatria ka mitranga izany fandikan-dalàna izany. Manoloana io ahiahy tsy hiavanana io dia tsara ny manentana ny rehetra mba tsy halaim-panahy hihoam-pefy ka tsy hanaja ny lamina efa napetraka mba hiarovana ny firenena amin’ity valan’aretina ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici