- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimita : Raikitra ny tifitra tao anaty elakelan-trano

Ambodimita : Raikitra ny tifitra tao anaty elakelan-trano

Vetivety dia tonga ny polisy tamin’ity indray mitoraka ity ary nifanehatra avy hatrany tamin’ny jiolahy. « Tokony ho tamin’ny 1ora sy 30 minitra maraina ireto jiolahy, ny asabotsy teo, no namaky trano tetsy Ambodimita. Niantso polisy ireo niharan’ny fanafihana ka fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny avy ao amin’ny Boriborintany fahenina izay efa nanao fisafoana tsy lavitra teo ihany », raha araka ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Mbola nifanena tamin’ireo jiolahy avy namaky trano izy ireo tamin’ny fahatongavany. Raikitra araka izany ny fifanenjehana tany anaty elakelan-trano sy tao anatin’ny haizina. « Voatery nitifitra ny polisy rehefa nahita ny basy sy antsy lava nentin’ireo jiolahy. Voatifitra teo amin’ny feny ny iray izay lava ranjanana. Nianjera tsy afaka nihetsika intsony io farany. Raha nahita izany ny efatra namany dia nanapa-kevitry ny nitolo-tena », raha araka ny polisy hatrany. Rehefa nojerena ny fitaovana nampiasain’ireto olon-dratsy dia tsikaritra fa basy kilalao ilay nampiasain’ireo, ankoatra ny sabatra « bare-mine  » ary « lampe de poche ». Nentina teny amin’ny hopitaly ilay jiolahy izay voatifitra teo amin’ny feny. Ireo namany efatra kosa avy hatrany dia notazomina teny amin’ny polisy ary nanokafana fanadihadina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici