Iray andro taorian’ny fisokafan’ny lalam-pirenena faharoa dia nisy lozam-pifamoivoizana niteraka fahafatesana. Olona roa no namoy ny ainy tao anatin’ny fiara Sprinter iray, tetsy Sahamandrivo, tanàna iray 19km aorian’i Brickaville raha hizotra ho any Toamasina. Nivoaka ny làlana ilay fiara ary nidona tamin’ny hazobe manamorona renirano. Manodidina ny tamin’ny iray ora maraina ny loza no nitranga omaly. Maty tsy tsa-drano ny olona nentiny. Fisaka tanteraka ny lohan’ny fiara izay feno rà tao anatiny nandritra ny fisintoman’ny olona azy an-tanety.
D.R