Tsy niandry ela taorian’ny dokam-barotra izay nandeha tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny fampahafantaran’ny toeran-danonana samihafa ny fisokafany indray dia nisy fidinana ifotony nataon’ny manam-pahefana tao Toamasina. Nanao bemidina tany anaty toeram-pandihizana sy « karaoké » ny mpitandro ny filaminana ary nisava sy nanidy ireo izay nisy olona nandihy. Ao Toamasina dia nisy ny nanaja ny fepetra ara-pahasalamana ary tsy nisokatra mihitsy hatramin’ny nivoahan’ny didim-panjakana mahakasika izany. Misy koa anefa ireo izay tsy niraharaha izany ary nitohy tamin’ny fikarakaràna lanonana toa ny mahazatra ihany. Ny fahafantaran’ny sasany io tranga farany io no toa nahatonga ireo toeran-danonana sasany niverina nisokatra indray. Nisy koa nahatsikaritra fa na tao anatin’ny hamehana aza dia mbola nisy toeram-pandihizana nisokatra ihany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nanaovana bemidina faobe ny toerana rehetra fanaovan-danonana ary ny prefet de police no nitarika izany. « Mitohy ny fampiharana ny fepetra amin’ny ady atao amin’ny Covid-19. Mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalama ny eto amin’ny faritra Atsinanana na dia efa miverina amin’ny andavanandro aza ny fiainana. Nanao fanambarana ny Foibem-pitantànana miady amin’io valanaretina io eto atsinanana fa mbola tsy mahazo misokatra ireo toeram-pandihizana sy toeram-pilanonana rehetra ary ho fanatanterahana izany indrindra no anton’ilay bemidina », raha araka ny fanazavana avy amin’ny OMC izay notarihan’ny prefet de police. Notohizany fa izay mandika ny lalàna napetraka dia handraisan’ny fitondràna sy ny mpitandro ny filaminana fepetra mifanandrify amin’izany.
D.R