- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra volo : Nahitana tranga ihany koa tany Antsirabe

Halatra volo : Nahitana tranga ihany koa tany Antsirabe

Araka ny efa notanterinay teto amin’ny gazety, herinandro vitsy lasa izay mahakasika ny firongatry ny halatra volo eny teto an-drenivohitra fa indrindra teny amin’iny faritra Behoririka iny dia fantatra izao fa efa tonga any amin’iny faritra Vakinankaratra iny ihany koa izay zava-mitranga izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Ny zava-nisy, tovovavy kely iray, kilahy fahenina no lasibatra ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao teo amin’ny pejin’ny zandary avy avy any an-toerana dia tsy re tsaika akory ny nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny. “Raha ny filazany dia somary niatrana kely zay fotsiny izy ary raha vantany vao nitodika dia tsy nahita an’iza n’iza intsony.” Chignon” hono no nanaovany ny volony ary lasan’ireo tsy valahara hatramin’ny chouchou kely namatorany azy” hoy hatrany vaovao. Manoloana ny zava-misy dia miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena hiray hina, ahafahana misambotra ireo mpanao ratsy. “Aoka samy ho mailo ka hanaramaso ny trangan-javatra toy izao. Aoka koa haneho firaisan-kina amin’ny fisamborana ny olona tratra manao izany fihetsika izany. Hiantso haingana ny mpitandro filaminana izay efa manao fisafoana matetika amin’ny toerana be olona sy amin’ny fotoana fidiran’ny mpianatra sy mpiasa, eny amin’ny tsena” Amin’ny lafin’ny lalàna tokoa dia azo henjehina tsara fa tsy araka ny fiheveran’ny maro azy ireo mpangala-bolo eny an-tampon-doha ireny. Azo henjehina araka ny fehezan-dalana famaizana andininy faha-311, izay mamaritra mahakasika ny herisetra ireo olon-dratsy. Ary ankoatr’izay ihany koa dia azo hampiharina tsara amin’izy ireo ny fehezan-dalana famaizana andininy faha-379 sy 401, mahakasika ny halatra, raha ny voalazan’ireo mpahay lalàna. Araka izany mety mahavoasazy, fidirana am-ponja enina ka hatramin’ny roa taona ny fanaovana izany miampy ireo lamandy isan-karazany. Marihana fa isan’ny mampirongatra ity halatra volo ity tato ho ato ny fahalafosan’izany. “Tsara kalitao raha mitaha amin’ny volo avy any ivelany ny volontsika, hoy ny filazan’ny tompon’ny fanaovam-bolo iray, ka izany no maha be mpitsiriritra azy”. Misy mahasahy mividy lafo hatramin’ny iray tapitrisa ariary any ho any mihitsy moa ny volo lava, tsotra manodidina ny 80 santimetatra raha ireo fijoroana vavolombelona eny anivon’ny tambajotra sosialy eny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici