- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tao Tsiroanomandidy : Voakapa famaky ny reniny, voatifitry ny basy ny...

Fanafihana tao Tsiroanomandidy : Voakapa famaky ny reniny, voatifitry ny basy ny zanany

Tsy valahara ! Tokantrano mpitandro filaminana misotro ronono no lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny afakomaly alina tao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy. Naratra mafy vokatr’izany ireo tompon-trano. Tsy mbola fantatra kosa ny tontalin’ny zavatra very.

Tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany alina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity tao amin’ny toerana antsoina hoe Andrefan’i Gara, ao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy . Raha ny fampitam-baovao azo dia bandy enin-dahy nitondra basy poleta sy zava-maranitra no nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity tamin’io fotoana io, raha mbola sondrian-tory ireo tompon-trano. Araka ny angom-baovao azo hatrany moa dia tsy tao an-toerana ny raim-pianakaviana, izay mpitandro filaminana efa nisotro ronono fa ny vadiny sy zanany no tao an-trano.  Ny telo lahy tamin’ireo olon-dratsy no niezaka nisikotra sy nanapitsoka ny varavarana, raha somary niandriandry, tetsy ivelany ny telo, nitazana ireo manodidina. Vao tafiditra tao an-trano izy ireo dia nandrahoana ireo tao, tamin’ireo fitaovam-piadiana teny aminy, ny amin’ny hanomezana azy ireo ny vola. Ankevitry ny nisy fifamaliana angamba tao fa tsy nisalasala mihitsy iretsy olon-dratsy nidaroka ireo zaza amam-behivavy. Nanampatra ny heriny ary nikapa famaky ilay renim-pianakaviana. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia nitsoaka matanjaka, toy tsy teo izy rehetra. Saingy tsy vitan’izay anefa fa mbola nitifitra, nanapoaka basy indroa tany amin’ilay trano ihany. Tamin’io fotoana io no nipitihan’ny bala ny zaza valo taona, zanak’ireo tompon-trano. Taorian’izay mihitsy moa vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Tetsy andanin’izay ihany koa vao naheno ny poa-basy ireo zandary mpanao fisafoana dia tonga teo amin’ny toerana nitrangan’izany, saingy efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Efa mandeha ny fikarohana ireto farany, ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Ireo olona naratra kosa moa dia nentina teo no ho eo avy hatrany ho any amin’ny tobim-pahasalamana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici