- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmparihy Ivato : Nifamono ny mpiray trano, maty ny iray

Amparihy Ivato : Nifamono ny mpiray trano, maty ny iray

Mpizaodahy ireo nifamaly rehefa mamo. Izy ireo dia mpiray trano ihany saingy nentin’ny toaka ary tonga tamin’ny fifampikasihan-tànana. Tsy nijanona teo aza fa namoaka antsy izay efa teny am-bozonany ny iray ary tsy nisalasala nampiasa izany. Notsatohany teo amin’ny ilan-tratra havanana ary maty tsy tra-drano. Mba nisy olona nahita ny zava-nitranga ary niezaka ny namonjy saingy mbola niharan’ny herisetra koa io ary naratra teo amin’ny lohany. Lehilahy 43 taona ilay namoy ny ainy. Ny ampitson’ny tranga vao nandre ny zava-nisy ny zandary. Natao ny fijerena ny razana niaraka tamin’ny zandary ary nosokafana ny fanadihadiana. Tratra tao an-tanàna, tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, ilay nahavanon-doza.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici