Taorian’ny nanambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Ravalomanana Richard, fa hanome tambiny 2 000 000 ariary ho an’izay olona mahasambotra an’i Jerison na ireo manome vaovao marim-pototra ka ahafahana manao izany, dia nilaza ny Goverinoran’ny Faritra Sofia, ny Jeneraly Lylyson René de Rolland, fa mitohy hatrany ny fikarohana ity olona voalaza fa lehiben-dahalo mpampihorohoro ny vahoaka ity. Efa betsaka ny asa natao tao anatin’izany, hoy izy raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny herinandro lasa teo. Natomboka tamin’ny fidinana ifotony nataony niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana izany. Nandritra izany no nanapahana hevitra niaraka tamin’ireo fokonolona ny hanaovana savahao ireo toerana rehetra ahiahiana ho fieren’ity jiolahy ity. Natsangana ihany koa ny dinan’ny Besaboha izay hampandraisana andraikitra ny vondron’olona ifotony amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, indrindra fa ny ady amin’ny halatra omby izay tena olana any amin’iny faritra iny. Efa nahitana vokany izany ankehitriny. Ny savahao natao tao amin’ny kaominina telo (Antsahabe, Anahidrano, Ampamangirana) dia nahatrarana omby halatra 1130. Ny 1000 tamin’ireo dia efa voaverina amin’ny tompony avokoa. Voasambotra nandritra izany koa ny rahalahin’i Jerison. Nambarany fa noho ireo ezaka vita ireo dia miroso amin’ny filaminana ny any an-toerana. Nihena ny halatra omby. Tranga 12 monja no niseho hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, raha nahatratra 60 mahery izany tamin’ny 2020. Na eo aza izany, nilaza ny Goverinora fa mila miray hina ny sojabe, ny mpiray dina, ny tomponandraikitra ara-panjakana, na olomboafidy na olomboatendry, mba hampahomby ny teti-pampandrosoana tiana hapetraka. Nomarihiny ny fisian’ny olona sasany manao kajikajy politika mba hanimbana ny ezaka fampandrian-tany atao any an-toerana, misy mihintsy aza, hoy izy, mpanao politika mahavita misintona ireo mpitondra faratampony aty ambony hankahala ny Goverinora sy ny Solombavambahoaka. Hentitra ny fanambaran’ity olom-panjakana ity manoloana izany. Tsy vahaolana ny fifanomezan-tsiny na fifanaratsiana amin’ny haino aman-jery na gazety fa hiteraka elanelana sy lonilony amintsika izany, hoy izy. Nanentana ireo tantsaha, indrindra fa ireo mpiompy omby, ihany koa izy mba tsy hanaiky atao fitaovana politika.
T.M.