Raikitra ny fifandonana teo amin’ny samy fokonolona ny fiandohan’ny herinandro teo, tany Sambava, tany amin’ny kaomina Bevontro. Olona 11 naratra vokatr’izany, ary voatifitra ny flesy ny lehiben’ny fokontany. Araka ny fanazavana, nandritra ny fametrahana ny ben’ny Tanàna nisehoan’ny olana teo amin’ny fokonolona. Nisy tsy nankasitraka izany ka niafara tamin’ny fifandonana. Tora-bato sy nifamely totohondry nataon’ireo olona ireo. Niditra antsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ireo olona ireo. Tamin’izany no nandratra ireo olona 11. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana taorin’izay. Nandamina ny fokonolona rahateo ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Nisy ny olona tsy mankasitraka ny ben’ny Tanàna vaovao. Teo-javatra efa nahitana olona tany amin’ny kaomina iray tany Toliara, ary izao hita any sambava izao ihany koa. Voalzan’ny mpitandro filaminana fa manokatra fanadihadiana izy ireo manoloana ity korontana ity. Mety misy ny fikasana fanakorotanana raha ny fanazavana. Nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo naratra. Misy ny olona efa nalaina am-bavany tamin’ity raharaha korontana nandratrana olona ity.
Yv Sam