- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Taxibe nandratra mpandeha, nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy

Ambohibao : Taxibe nandratra mpandeha, nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy

Fiara mpitatitra iray ao amin’ny zotra 112, mampitohy an’Analakely sy iny faritra Ambohibao iny no voatery nampidirina am-balam-pamonjana. Nosamborina kosa ireo mpamily sy ny mpanampy azy, noho ny ratra fanahy iniana natao tamin’ny iray tamin’ireo mpandeha tao anatiny.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia tovovavy iray, mpandeha tao aminy no naratra mafy, rehefa iny izy niala teo amin’ny fiantsonana teo Ambohibao iny. Tsy mbola tafidina tsara akory mantsy ilay mpandeha dia nitroatra nandeha ilay fiara. Ny tena loza dia hitan’ny mpanampin’ny mpamily tsara ny zavatra nahazo ity tovovavy ity saingy tsy nijanona akory izany fiara izany fa vao mainka nanohy ny diany. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina ilay niharam-boina ka nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fitadiavana ity fiara mpitatitra nahavanon-doza ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Raha ny tatitra hatrany dia tsikaritra teny amin’iny faritra Ankazomanga iny ilay fiara. Nosakanana avy hatrany ary nosamborina teo no ho eo ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nampidirina am-balam-pamonjana ilay fiara mpitatitra. Fandratrana olona niniana natao, fitsoahana manoloana olona tra-doza, tsy fanajàna bokin’andraikitra, anisan’ireo vesatra mety hanenjehana ireto olona voasambotra ireto avokoa, raha ny fanazavàna azo.

Raha ny angom-baovao natao dia tranga efa mateti-piseho ny toe-javatra toy izany amin’ireo fiara fitateram-bahoaka eto amintsika, indrindra fa ireo fiara eto an-drenivohitra, izay tena mampitairana ireo mpandeha maro tokoa. Mazàna dia maika hifanenjika ireto farany, hany ka tsy misy firaharahiana intsony ny mpanjifa entiny. Ny sasany amin’ireo taxibe aza, noho izay fitia te hifanenjika sy handeha mafy izay dia tsy mitondra mihitsy olona manana kilema na olona mitondra zaza. Manginy fotsiny ny baiko sy ny trerona ary ny « haingakaingana » ataon’ny mpanampy ny mpamily rehefa iny hialà amin’ny fiantsonana iny. Fa mbola amin’izay lafiny tsy fanajàna mpandeha izay ihany, ny ataon’ireo taxibe sasantsany, indrindra fa ireo zotra somary mandeha lavitra, toy ny 194, 192, 162 sy ny maro hafa, dia voalaza fa tsy tonga intsony amin’ny fiantsonana farany ho azy ireo voalazan’ny bokin’andraikitra, raha vao manomboka hariva fotsiny ny andro. Mazava ho azy fa sahirana avokoa ireo olona hody lavitra, izay tsy maintsy handeha an-tongotra vao tonga any amin’ny toerana misy azy ireo. Anaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici