Taorian’ny atrikasa nataon’ireo mpanankanto teto Toamasina teny anivon’ireo sekoly vitsivitsy teto Toamasina, toy ny CEG Ratsimilaho, sy ny fampisehoana ny sabotsy teo nandraisan’ny ben’ny Tanàna Rakotonirina Nantenaina anjara amin’ny maha-mpanakanto azy niaraka tamin’ireo namany artista; dia niroso tamin’ny fampirantiana ireo zava-maneno sy ireo rakikira fahiny novokarina ny fikambanan’ny mpanakanto Toamasina. Tao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny tranoben’ny kolontsaina “Masova 501” no nanaovana ny fanavan-kevitra momba ny “Ny Haino Aman-jery sy ny Mozikan’i Toamasina”. Tompon’andrakitra dimy be izao no samy nanazava ireo lohahevitra dimy noraisina tamin’ilay lohahevi-dehibe, ka voalohany ny “tantara ny mozika” nohazavain’ny Atoa Silvain Rakoto, faharoa “ny vanim-potoana tena nampalaza ny hira Toamasina” nohazavain’ny Chistain Egeba Est, fahatelo “ny vanim-potoana nampitotongana ny mozika teto Toamasina” nohazavain’ny Jean Jacques François Zamany, fahaefatra “ny antony samy hafa nitarika izany fitotonganana izany” nohazavainy Atoa Dany, ary fahadimy faharany “ireo vahaolana tokony ho raisina hanarenana izany” nohazavain’ny ben’ny tanànan’i Toamasina Rakotonirina Nantenaina Herilala. Nandritra izany no nalalana fa ny famaritana ny atao hoe mozika dia “feo mirindra manome hafaliana ny sofina, ny fo, ary ny fanahy”; ka mizara telo ny firafiny dia ny mozika fototra misy ireo mozika nentim-paharazana, ny mozika vatana misy ireo fivoaran’ny mozika fototra, ary ny mozika rantsana misy ireo mozika moderna ankehitriny saingy tsy maharitra ny lazany fa mora maty. Fantatra koa tamin’izao fanazavana izao fa isan’ny hira novokarina voalohany teo anivon’ny trano fanontana horonan-kira “DiscoMad” sy “Kaiamba” nisy an’Atoa Mara Armand…sy Etienne Ratsiraka tamin’izany ny hiran’ny mpanakanto Flore mitondra ny loha-teny hoe “Toamasina” izay naseho ho fantam-bahoaka tamin’izao hetsika izao.
Malala Didier