- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpiasa an-trano noterena hivaron-tena

Anosy : Mpiasa an-trano noterena hivaron-tena

Nafarana avy any amin’ny faritra izy mba hiasa an-trano. Izay no niandohan’ny raharaha. Tsy izay anefa no nitranga fa rehefa tonga teto an-drenivohitra dia noterena hivaro-tena ity tovovavy 17 taona. « Miasa, mivarotra fahafinaretana amin’ny 11 alina mandra-maraina ary rehefa tonga indray ny maraina dia asaina miasa ao amin’ny toeram-pivarotana », raha araka ny mpisolovava azy. Niditra an-tsehatra amin’ity raharaha ity ny fikambanana « a new name » izay misahana ireo vehivavy niharan’ny herisetra ary nilaza ny hanara-maso akaiky ny tompon’andraikitra. Nandritry ny fito taona teo no niainan’ilay vehivavy izany ary mba nitsiky kely taminy ihany ny vintana rehefa nisy vahiny izay vonona ny hanambady azy. Ny olana dia izay rehetra mba nomen’io vahiny io azy dia lasan’ny ramatoa mpanakarama azy hatrany, toa izay azony rehetra tamin’ny asa fivarotan-tena ihany koa, raha araka ny solon-tenan’ny fiarovana azy hatrany. Kivy tamin’izany ny tokony ho vadiny ary dia niala. Mbola nibaliaka fanindroany ihany ny masoandron’ilay vehivavy rehefa mbola nisy vahiny iray hafa indray  tapa-kevitry ny hampakatra azy ho vady. Nahita izany ny ankilany, ny mpampiasa dia niitatra indray ny sainy. « Nampiasa hosoka izy ary novainy tanteraka ny anaran’ilay vehivavy izay nolazainy fa zanany. Ny antony dia ny hisintomana izay tombontsoa azo » raha araka ny fikambanana sy ny mpisolovava. Nisy fanamarinana nataon’ilay vahiny ary teo no nahafantarany ny hosoka rehetra. Tsy nanan-kery arak’izany ny mariazy izay natao. Ankehitriny dia tapa-kevitry ny nitory ilay vehivavy izay efa ampy taona izany ankehitriny ary nitondra ny raharaha eny amin’ny fitsaràna. Misy ary tena misy eto amintsika ny fivarotan’olona ary endrika iray hisehoany ity tranga ity. Raha ny marina, na ireny fandefasan’olona hiasa an-trano ireny aza dia efa endrika famarotan’olona (traite de personnes), izay maneran-tany dia faizin’ny lalàna iraisam-pirenena.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici