Olona roa maty tsy hita popoka. Raha ny vaovao marim-pototra voarainay hatrany dia olona nafarana niasa volamena avy any Antanifotsy izy roalahy ireto, saingy indrisy anefa fa hafatesana no novantanana ! Olona ampolony no nanatanteraka ny asa fanaovana tohandrano hitrandrahana volamena tao amin’ny reniranon’i Bekorotana, any amin’ny fokontany Antanadava, kaominina Bemokotrà, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ary ny lehilahy roa avy any Antanifotsy ihany niharan-doza tampoka, tamin’ny herinandro lasa teo. Noho ny herin’ny rano namaky ny tohandrano no antony nahalasan’ny rano azy roa ireto, saingy avotra nanavo-tena ireo olona sasany. Tonga nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona tany an-toerana kosa ny ireo namany rehefa nahita ny loza an-dranomamy. Nialoha izany efa nanao ny fikarohana ireo mponina, saingy mbola tsy nisy hita izy roalahy. Niverin-dalana ny fokonolona taorian’ny loza, araka ny angom-baovao avy any an-toerana hatrany. Ahiana ho efa lasa lavitra ireo olona tsy hita popoka ireo, araka ny fitantaran’ireo mponina nanao ny fikarohana ny razana. Manahirana ny fikarohana azy ireo noho ny ranon’Ikopabe mbola mahery.
Ratantely
TAN01A…………5 MODULES