Nanomboka ny alahady faha 10 aogositra 2014 teo no latsaka tao anatin’ny ranon’i Bevava Ilafy ity raim-pianakaviana ity, raha handeha haka kitay izy. Araka ny fanazavan’ireo nahita azy dia nitondra lakana ity lehilahy ity ary nilaza haka kitay. Tsy hita anefa izy fa ilay lakana nitsingevaheva teo ambony rano no hitan’ny fokonolona, mbola hita teo ambony lakana ihany koa ny kitay nalainy . Nanomboka nikaroka izay toerana mety hahitana ilay razana ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina sy ny fokonolona, ka tao anatin’ny 5 andro izay mbola tsy hita ilay razana. Miteraka resabe eo anivon’ny fiaraha-monina izany tsy fahitana ny razana izany ka nohamafisina ny fitadiavana.
Janus R