- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe- Bakalorea : Mpiadina 95 tsy afaka nanao fanadianana

Antsirabe- Bakalorea : Mpiadina 95 tsy afaka nanao fanadianana

Ankoatra ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny  fanadinam-panjakana bakalorea ho an’ny teto an-drenivohitry ny vakinankaratra  dia nahatratra 95 ny isan’ireo mpianatra tsy afaka nanatrika izany. Fantatra izany nandritra ny fidinana ifotony tamin’ireo foibem-panadinana miisa 6 eto Antsirabe. Antony tsy nahafahan’ireo mpianatra ireo hanatrika ny fanadinana  ny tsy fahatongavan’izy ireo tamin’ny fanadinana  dingana voalohany, ny  fanatanjahan-tena, na pratika na an-tsoratra. Efa nisy rahateo ny fampahafantarana mialoha tamin’ireo mpiadina tsy afaka hanatrika ny bakalorea tamin’ny alalan’ny afisy, saingy mbola nisy sasantsasany ihany tonga nikasa hanatrika izany, ny marainan’ny alatsinainy 18 aogositra 2014 teo. Raha somary nahitana lesoka kosa teo amin’ny lafiny fanaraha-maso  ireo mpiadina «  surveillance »  tamin’ny foibem-panadinana sasany  dia tsy naharitra ela izany fa nisy ny fandraisan’ny Cisco an-tanana nanolo ireo mpanara-maso tsy tonga. Ho an’ny tao amin’ny kolejy Saint Joseph, ohatra, dia efa nisy ireo tsara sitrapo mpanara-maso  niandry teo ivelan’ny fianarana, ka ireo no nanolo toerana izay tsy tonga. Araka ny fantatra moa dia tsy fahatongavan’ireo mpanara-maso namonjy ny fivoriana mialoha no antony nahatonga ny olana. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana bakalorea teto Antsirabe, ny tapany marainan’ny alatsinainy teo, na dia nisy aza ny olana madinidinika isan-karazany. Tao anatin’ny hatsiaka mamirifiry kosa no niatrehan’ireo mpiadina ny laza adina voalohany, dia ny taranja filozofia izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser