- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Milaza ho mpamoaka olona amin’ny fonja, voasambotra sy voafonja

Arivonimamo : Milaza ho mpamoaka olona amin’ny fonja, voasambotra sy voafonja

Mpijoko voajoko ! Lehilahy iray milaza ho mahatafavoaka olona ao am-ponja no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Arivonimamo, teo am-pisolokiana olona.

Ny fahorian’ny hafa tokoa, fanararaotan’ny sasany. Anisan’ireo olona mora lasibatry ny fisolokiana ireo olona manana havana manana raharaham-pitsaràna. Tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny, fianakaviana iray no lasibatry ny lehilahy iray, milaza fa afaka manafaingana ny raharaham-pitsaran’ny havan’izy ireo fa indrindra afaka mamoaka izany olona izany avy any am-ponja. Vola mitentina eo amin’ny enina tapitrisa ariary mahery teo ho eo no efa azon’ity lehilahy ity tamin’ireto fianakaviana ary mbola nikasa ny hitaky amboniny aza izy, raha ny fanazavàna azo. Rehefa nandeha teny anefa ny fotoana, hoy ny fampitam-baovao voaray, dia tsy tanteraka akory ny zavatra nolazainy. « Nilaza izy fa nihemotra hatrany ny fotoam-pitsarana no sady tsy ampy kely indray ilay vola ka mila manampy vola kely ilay fianakaviana ». Mahimahina tanteraka amin’ny fiovaovan-javatra ireto fianakaviana ireto ka nanapa-kevitra ny hametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny kaomisarian’Arivonimamo. Napetraka avy hatrany ny vela-pandriaka hahazoana azy ambodiomby. « Nasaina nantsoin’ilay fianakaviana ilay lehilahy ka nanome fotoana teny amin’ny fitsarana tao Arivonimamo ity farany. Rehefa tonga ny fotoana nifanomezana dia hita teo tokoa ilay Rangahy ary teo am-pandraisana ny volan’ilay olona izy no tra-tehaky ny Polisy ». Nentina avy hatrany natao famotorana moa ingahirainy.

Fisolokiana, fanararaotana ny fahaleman’ny hafa mba hahazoana vola am-pitaka, fivadiham-pitokisana … Mety ho isan’ireo vesatra azo anenjehana ity lehilahy 43 taona ity avokoa, izay voarakitra tanteraka ao anantin’ny fehezan-dalàna famaizana, andininy faha-405. Marihina fa mety mampigadra enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona izany, ary handoavana lamandy hatramin’ny 10 tapitrisa ariary. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana taorian’izay ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Asa raha hahay hivoaka ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici