- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Mitaraina ireo mpandraharaha amin’ny posy…

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Mitaraina ireo mpandraharaha amin’ny posy…

« Tena mijaly izahay tompom-posy amin’izao, fa tsy maintsy mandoa ny hetra eo anivon’ny kaominina mitentina 60.000 ariary, nefa ny tsena aza tsy misy amin’izao…”, izay no nambaran’ireo tompom-posy. Efa mahatratra 5.000 mahery amin’izao ny isany ankehitriny. Io vola fandoan’izy ireo ho hetra alain’ny kaominina io no olana amin’izao, noho ny fiakarany sy ny halafony. Koa takian’ireto fikambanam-ben’ny tompom-posy ireto ny mitondra ny fitarainana. Tsy zakany ilay vola be fa tokony hatao 25.000 ariary isan-taona izany, hoy izy ireo.

Ny olana ihany koa dia ny tsy faneken’ny mpitandro ny filaminana dika mitovy ampiasain’ireo posy ireo eny an-dalana raha misy ny fisavana, satria raha misy ny fahaverezan’ilay antontan-taratasy dia mila mandoa vola 60.000 ariary ihany koa ny tompom-posy. Isan’ny fitarainan’izy ireo koa ny fanovana lava ny takelaka fampiasa amin’ny posy, ka ny tompom-posy hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina momba izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici