- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana miharo fanolanana : Jiolahy 10, sarona tetsy Ambohimangakely

Fanafihana miharo fanolanana : Jiolahy 10, sarona tetsy Ambohimangakely

Isan’ireo mpandimby ny “bande de 15”, jiolahy mpandravara teny amin’iny faritra Soamanandrariny, Ambohimahitsy, Ikianja, Manantesoa, Ambatomaro, ary Ambohimangakely iny ireto sarona sy natolotra ny Fampanoavana omaly ireo, raha ny filazan’ireo mpitandro filaminana. Raha ny fantatra hatrany dia andian-jiolahy mpamaky trano ary tsy vitan’izay fa mbola manolana ireo vehivavy ao amin’ny trano tafihany ihany koa. Raha ny tatitry ny zandary dia nahatratra 40 latsaka teo ny fandrombana nataon’ireo jiolahy ireo, ka ny efatra tamin’izany no tena goavana.
Foana tanteraka ny tokantrano nandalovan’izy ireo. Lasa tamin’izany ny entana maro isan-karazany toy solosaina, finday, fahilavitra, môtô, kojakojan-dakozia sy trano isan-karazany. Mitentina eo amin’ny fito tapitrisa ariary  eo ho eo ny tontalin’entana very. Misy tokantrano roa tamin’ireo voatafika, teny Ankadiefajoro sy Ikianja, no sady efa voaroba no mbola nianjadiana fanolanana ihany ko ireo vehivavy sy tovovavy tao an-trano. Raha ny voalaza hatrany moa dia efa tambajotra iray mihitsy izy ireo, ary misy tsy ampy taona (12 ka hatramin’ny 15 taona) amin’ireo jiolahy ireo. Satria dia efa voatsinjara ny anjara asa : misy ireo manao ny fandrobana, ary efa fantatra ihany koa ireo olona mpandray ny entana tratra avy eo. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona dia olona 10 tao anatin’io tambajotra io no saron’ny zandary. Iray no tena atidoha nikotrika ary mpandray sy mpividy entana halatra kosa ny ambiny. Tratra tany amin’izy ireo ihany koa ny fitaovana entiny mananteraka ny asa ratsiny, raha ny voalazan’ny zandary hatrany, anisan’izany ny baramina, famaky, antsy, “matraque electrique”, sns. Manentana ireo fokonolona hatrany ny mpitandro filaminana hanamafy ny fiaraha-miasa ary hiantso azy ireo tsy am-pisalasalana raha misy vaovao na tranga mampiahiahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser