Iray hafa koa ! Lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava, tany Nosy Be, noho izy ity voarohirohy tamin’ny reska fisolokiana tamin’ny alalan’ireny fikirakirana vola amin’ny finday itony. Efa maro nataony nitondra faisana ary efa nahazo vola am-polony tapitrisa ariary maromaro izany.
Tsy mitsahatra ny miova paikady foana ireo mpanao ratsy amin’ity resaka fikirakirana vola amin’ny finday ity. Fomban’izy ireo indray mantsy amin’izao ny mampiasa hafatra fohy tsotra, mitovy amin’ireo hafatra halefan’ireo tambajotram-pifandraisana mahakasika ny fikirakirana vola ataon’ny mpanjifa. Raha sendra olona tsy mijery tsara araka izany dia tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny vovon’izy ireo. Toy ny nahazo ity ramatoa iray tany an-drenivohitr’i Diana ity. Nilaza mantsy ilay mpisoloky fa hividy volamena aminy. Roa tapitrisa ariary no tetibidin’ity firavaka ity ka alefany amin’ny alalan’ny finday izany vola izany. Eo amin’izay izy no mampiasa ilay tetik’adin’izy ireo. Vao lasa ilay hafatra dia miantso avy hatrany ingahirainy ary nilaza fa diso sandam-bola satria vola maherin’ny dimy tapitrisa ariary no lasa tany. Niangavy ity ramatoa ity araka izany ilay mpisoloky mba hamerina ny ambiny fa hitazona ilay ambiny vidin’ireo firavaka. Mazava ho azy, tsy nahajery tsara ilay hafatra fohy, tsy izy akory ity ramatoa ity ka dia nandefa tsy tam-pisalasalàna ilay ambim-bola. Rehefa tena nojerena amin’izay anefa ny vola tao anaty kaonty dia tsy nisy ilay dimy tapitrisa ariary akory.
Rehefa nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary ity ramatoa ity dia nanao fikarohana ilay tompon’ny kaonty nandefasam-bola ireo mpanao fanadihadiana. Tany Nosy-Be no tra-tehaka ity lehilahy ity, izay karazan’ny efa rain-dahiny tanteraka amin’io resaka fisolokiana amin’ny alalan’ny finday io. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia voalaza fa tsy latsaky ny 10 tapitrisa ariary isan-kerinandro no vola tonga tao amin’ny kaonty fampiasan’ity lehilahy ity. Izany hoe, efa tena maro dia maro tokoa ireo nataony nitondra faisana tamin’izany tetik’adiny izany. Ary heverina fa tsy tany amin’iny faritra iny fa mety ho ireo lasibatra maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy mitsaha-mivoatra isan’andro tokoa ny isan’ireo olona mora voarebirebin’ireo mpisoloky, indrindra fa amin’ity resaka fikirakirana vola amin’ny finday na ny « mobile money » ity. Rehefa miha-mailo dia mailo isan’andro amin’izany mantsy ireo « cash point » izay efa maro voa tokoa dia any amin’ireo olon-tsotra indray izy ireo no manao ny ataony. Entanina hatrany araka izany ny rehetra mba ho mailo foana, hanao fahazarana ny fanamarinana ny vola ao anaty kaonty, aorian’ny handraisana vola avy amin’ny laharana iray.
m.L