Efa betsaka ihany ireo mpianatra, teny amin’iny faritra Antanimena, Antaninandro, Behoririka sy ny manodidina no efa lasibatr’ireto olon-dratsy ireto. Voarebireby amin’ny hoe vato sarobidy, atakalo finday !
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia taorian’ny fitarainana maro voarain’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo dia nisy avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Nametraka paik’ady mihitsy aza moa ireto farany, tamin’ny fanaraha-maso eny ifotony tamin’ny alalan’ireo polisy tsy manao fanamiana. Tamin’izany indrindra no tra-tehaka teo am-panjonoana mpianatra teo akaikin’ny tetezana teo Behoririka ireto olona roa ireto, ny faran’ny volana lasa teo. Tamin’ny fisavàna natao ireto farany dia mbola nahitàna findain’ilay mpianatra tany aminy. Raha ny vaovao azo hatrany moa dia saika teti-dratsy mitovy foana no hanjonoan’ireto olon-dratsy an’ireo mpianatra ataony lasibatra. Manatona sy mampiresaka avy hatrany ireto ankizy izy. Mampiseho vato sarobidy hosoka, izay toa fomba iray entiny handraikirekena an’ireo mpianatra fotsiny. Ary ny loza dia hoe atakalo finday sy ny vola any amin’ireo mpianatra izany vato izany. Entin’ilay fampiresahana sy ny fandresen-dahatra dia betsaka ireo manaiky mora foana ary tsy tonga saina raha tsy efa dify lavitra ireto mpisoloky sy mpangalatra ireto. Marihana, hoy hatrany ny fanomezam-baovao azo fa eny amin’iny faritra Anosimpatrana iny ireto farany no mipetraka saingy tonga eny amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo, hanao ny asa ratsiny fotsiny. Taorian’ny fisamborana azy ireo moa dia nentina avy hatrany natao famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana taorian’ny fetr’andro lazain’ny lalàna hanaovana ny fakàna am-bavany azy ireo. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny hampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika etsy Antanimora moa ireo mpitsara mpanao famotorana taorian’ny fihenoana ireto farany. Heverina araka izany fa mba hilamin-tsaina amin’izay ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, manana ankizy mandalo amin’ireo faritra ireo.
m.L