- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFampihorohoroana amin’ny baomba aritizanaly : Mpandraharaha iray no lasibatra, zandary sandoka no...

Fampihorohoroana amin’ny baomba aritizanaly : Mpandraharaha iray no lasibatra, zandary sandoka no atidoha

Zava-niseho talohan’ny fankalazàna ny fetim-pirenena lasa teo, ary sokajian’ireo mpanao fanadihadiana, izay nahitàna ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary eto Analamanga sy ny sampandraharaha miady amin’ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ho anisan’ireo fanakorontanana iny fankalazàna iny asaramanitra iny. Raha ny fanazavàna azo tokoa mantsy dia mpandraharaha iray fanta-daza eto an-drenivohitra no lasibatry ny fandrahonana ho faty avy amin’ny andian’olona maromaro. Tsy vitan’ny fandefasana taratasy fampilazàna fotsiny ihany no nihatra tamin’ity olona ity, hoy ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana, fa tonga hatramin’ny fametrahana karazan-javatra mipoaka mety mamono, na ilay antsoina hoe baomba artizanaly, mihitsy, teny amin’ny fonenany izany, tao anatin’iny herinandro nialoha ny fetim-pirenena iny. Soa ihany moa fa voasoroka mialoha izany trangan-javatra izany, hoy izy ireo, ary tsy nahasimbàna na namoizana ain’olona. Nanomboka teo no nanao ny fanadihadiana ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ka niafara tamin’ny fisamborana olona efatra. Ireto farany izay voalaza fa tompon’antoka tanteraka amin’ity trangan-javatra ity, satria dia saika hita tao amin’izy ireo avokoa, taorian’ny fisavàna ny tranony ireo porofo rehetra. Tao anatin’ireto olona voarohirohy ireto no nahitàna zandary iray, manana karatra ary manana fanamiana. Kanefa rehefa natao ny fanadihadiana rehetra, hoy ireo tompon’andraikita, dia fantatra fa zandary sandoka ity farany. Eny fa na hatramin’ny karatra maha-zandary azy aza dia sandoka, saingy raha ho an’ny olon-tsotra tsy mahafantatra dia toa tena izy tokoa. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana lalina mahakasika ny loharano nahazoany ireo fitaovana sy fanamiana ireo ary ny fikarohana ireo namany hafa, hoy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici