- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra môtô : Lasibatra hatramin’ireo “grosse cylindrée”

Halatra môtô : Lasibatra hatramin’ireo “grosse cylindrée”

Tato anatin’ny volana vitsivitsy tokoa izay dia nirongatra sy nahazo vahana ny halatra kodiaran-droa. Saika nanemitra ny tambajotra sosialy ny filazana môtô very, tetsy anona na tary anona isan’andro. Amin’izao tsy vitan’ireo scooter kely intsony, izay efa tsy voaisa amin’ny rantsan-tanana intsony ireo efa lasibatra, fa efa miatsampy any amin’ireo môtô lehibe, fantatra amin’ny hoe “grosse cylindrée” ireo mpangalatra. Vao ny alahady alina teo tokoa mantsy no nisy itony karazana môtô itony very teny amin’iny faritra Ankorahotra iny. Saika mitovitovy avokoa ny fomba fiadin’ireo tontakely, araka ny fitantaran’ireo efa voa : misy ireo tsy menatry ny miditra ao anaty tamboho ary mamoaka izany amin’ny vavahady rehefa avy mampatory ny mpiambina sy ny tompon-trano, toy ireo izay nitranga tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra. Raha môtô mipetraka eny an-dàlana indray dia mody miseho ho tompony ireo tontakely, izay toa manana fahaizana manokana mamaha an’io môtô mihidy io, ary manosika na “mandaka” izany tsy taitra akory, hitan’ny rehetra, toy ireo mpangalatra azo sary teny amin’iny lalan’i By pass iny. Eo anatrehan’ny zava-misy dia efa manao ny ezaka rehetra ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tsy azo lavina tokoa fa misy ary efa maro dia maro ireo tra-tehaka. Toy ny resaka fanendahana ihany anefa, misy ireo voasambotra saingy misy foana ihany koa ireo mpanaraka azy ireo sy ireo tontakely vaovao manohy ny asa ratsiny. Araka ny fiheveran’ny olona sasany dia ity fitobaky ny kojakoja avy nampiasaina ity na “pieces occasions” no mety ho anisan’ny mampirongatra ity halatra môtô ity eto. Maro dia maro tokoa mantsy ireo mpivarotra azy ireny an’anelakelan-trano sy amin’ny tambajotra sosialy, izay tsy fantatra sy voamarina akory ny fiavian’ny entana hamidin’izy ireo. Ireny no tokony arahin’ireo tompon’andraikitra maso akaiky sy voalohany indrindra. Mazana tokoa mantsy, ho an’ireo moto tsara vintana tratra teny am-pelantanan’ireo mpangalatra dia ankavitsiana ireo mbola hita mijoro amin’ny maha moto azy, ny ankabeazan’izy rehetra dia efa voaravarava hatramin’ny “pieces” madinika indrindra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici